Edito

Mahina


  • Zoma 28 Septambra 2012

Nanamarika ny dian’i Andry Rajoelina tany New York, nandray anjara tamin’ny fihaonambe faha-67-n’ny Firenena Mikambana, ny fanaovany sonia fifanarahana roa sosona dia andaniny ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty ary ankilany ny fanajana ny zon’ny ankizy.

 Tsy hasiana resaka betsaka ny amin’ity farany fa efa iarahan’ny rehetra mahalala ny zava-manjo ny zaza malagasy, indrindra hatramin’ny 2009 no ho mankaty. Zon’ny ankizy ny hianatra, hanana fianakaviana, anarana, fahasalamana … Raha ny resaka fianarana fotsiny anefa dia tapaka avokoa ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara hanatanterahana ny fandaharanasa fanabeazana ho an’ny daholobe. Hatramin’ireo fiara 4x4 natokana ho an’ny DREN hampandehanana ny asa fampianarana aza moa nobodoin’ny FAT tsotra izao. Ireny niaraha-nahita ireny koa farany teo ny nanaovan’ny “fanjakana” ireo mpampianatra mpanabe raha mba nitaky ny hamerenana ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara. Ary ankehitriny dia iaraha-mahita io zava-mitranga any atsimo sy any Bongolava io vokatry ny asan-dahalo. Betsaka ny mitsoa-ponenana, ary zaza amim-behivavy no betsaka ao anatin’izany

. Fa ny misarika ny saina ny amin’ilay sonia hanafoanana ny fanamelohana ho faty. Amin’ny maha olombelona kosa aloha, angamba mba tsy rariny raha dia hifamono velona eto, saingy raha mpitondra nipoitra tamin’ny fanonganam-panjakana no nanao sonia ilay fifanarahana amin’ny anaran’ny firenena dia tsy maintsy mba mieritreritra ihany. Ny fanonganam-panjakana aloha amin’ny maha fanonganam-panjakana azy dia melohin’ny fifanarahana iraisam-pirenena. Resahina betsaka amin’izany ny “Accord de Cotonou” nosoniavina voalohany tamin’ny jona 2000  sy ny Sata afrikanina momba ny demokrasia. Raha ny fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara tamin’ny 2009 anefa dia sady niharo fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena am-perinasa tamin’izany, dia i Marc Ravalomanana no nitarika fandravana sy fanovana governemanta.

Mazava anefa ny voalazan’ny lalàna famaizana Malagasy, tamin’ny 17 jona 1972 nahitsy ny 30 jona 1998, manomboka eo amin’ny andininy faha-87 ka hatramin’ny faha-90, raha tsy hampahatsiahy afa-tsy ireo fa dia fanamelohana ho faty no sazy miandry ny olona mifofo ny ain’ny filoham-pirenena izany. Raha misy fitsarana mahaleo tena mijoro eto ka tsaraina ny raharaha 2009 dia tsy ho afa-maina amin’iny i Andray Rajoelina. Tsy mbola mikatona rahateo iny raharaha 2009 iny, fa mbola azo entina eo anatrehan’ny fitsarana ato anatin’ny folo taona. Karazan’ny fiarovan-tena amin’izay mety hitranga ihany, araka izany, ny an’i Andry Rajoelina tamin’ny nanaovany sonia iny fanafoanana ny fanamelohana ho faty tany amin’ny Firenena Mikambana iny. Mahina e !

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT