Edito

Mahery tsy maody…


  • Zoma 10 Septambra 2021

Mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny fanjakana hatrany ny toe-javatra mamohitra. Ireny no zary lasa manamarika ny fiainam-pirenena, manakona ny zava-misy.

 Miaina ny zavatra tsy niainana 60 taona ny Malagasy, saingy tsy mba amin’ny endriny miabo, fa miiba ny ankamaroany. Afa-baraka sy maty hasina ny Fanjakana noho ny zava-miseho saika isan’andro. Indraindray toa efa zava-doza, fahafaham-baraka, toe-javatra mamoa-tsampona, fitondran-tena sy fanehoan-kevitra hafahafa tsy mendrika amin’ny maha mpitondra,… Zary efa lasa rano mikoriana ao anaty fiainam-pitantanana ny firenena ireny rehetra ireny. Toa tsy misy henatra intsony, tsy misy bedy intsony,… Miteraka resabe ny iray androany, mamoa-tsapona ny hafa rahampitso, ary toy izany hatrany. Asa efa ifanaovana angamba io, ka sarotra izany hanala ny fandoto iray tandroka mba tsy hanimba ny rano iray siny izany, hany ka toa efa lasa fandoto iray siny izy rehetra. Mbola mirehareha, mbola “miwerawera” hatrany anefa ny fitondram-panjakana. Toa tsy tsapany fa tezitra aminy ny olona, toa tsy takany fa na ireo nandrotsa-bato ho azy aza efa betsaka no kivy sy tofoka. Raha izao fizotrany izao, tsy hisy raharaha ho tena vanona intsony fa sasatry ny mandrehitra ny afo mirehitra. Toa main’ny afo natsangany ny sasany, Nihevi-tena ho mafy sy tsy ho tratry ny aloka mihitsy, saingy izay ilay hoe: ny mahery tsy maody tsy ela velona. Izany no tsy hisetrasetrana, izany no tsy hireharena, satria misy foana ny mafy noho ny mafy. Saropady izany toerana ambony amin’ny maha mpitondra fanjakana izany. Mitaky toetra mendrika, fitondran-tena milamina, fahaiza-mandanjalanja ny teny havoaka,… Ny tena rahateo mety tsy ho tonga lafatra satria tsy misy izany raha mbola eto ambonin’ny tany, saingy zary fehezanteny sy taim-bava novoizina teto moa ny hoe: “mpanenjika tozoro afara”, “izahay aloha izao no eto”,… Ny mandrakizay anefa tsy misy, ary izay hafafy ihany no hojinjaina, ka mialohan’ny hamindrana dia mila jerena ihany ny hamindrana ny tongotra e!

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT