Mahery an-tanana !

Fomba fiteny sy soatoavina Malagasy ,


  • Talata 18 Febroary 2025

ny hoe : « soa lavo hahay hamindra »

saingy toa tsy mba anatin’ny làlan-tsain’ny mpitondra ankehitriny izany. Na manilika ny tsy fahombiazana amin’ny hafa, na miezaka manamarin-tena, na mamotsy ny efa hita fa mainty,… Mbola tsy lefy ary ataon’ny olona resaka na eto an-toerana ilay fifidianana teo anivon’ny Vondrona Afrikanina, izay nametraka ny kandida natolotry ny Fanjakana volomboasary ho laharana farany. Dia mbola ny tsikera sy fanomezan-tsinin’ny mpanohitra no handaniana rondoha fa tsy ny fandinihan-tena amin’ny tsy fahombiazana. Zava-dehibe aloha rehefa miaiky hoe : tsy niray hina ny Malagasy, kanefa tokony ho fijery iray rehefa misy solontenantsika amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tahaka ireny. Marina izany fa moa ve ilay mpitondra antsika mba nahavita nampandefitra kely ny hambom-pony ? Moa ve ilay mpitondra antsika tena mipetraka ho mpampiombona sy mpampiray ny Malagasy ? Ny eto aza ny mpitondra mihitsy no miezaka mandrafy sy mampihorohoro ny mpanohitra, efa tena miroso amin’ny famoretana sy fangejana, misambotra, managadra,… Ny fitantanana mitondra antsika makany amin’ny farahidiny, fa mbola sahin’ny mpitondra no mirehareha fa mbola alohan’i Somalie, Soudan, Mali,… isika. Ny eto aza ambony tsy voalamina ny Firenena, saronana amin’ny fanamarinan-tena sy fakana ohatra firenena farahidiny ny tsy fahombiazana, ka iza no hahatoky antsika amin’izany ? Miharihary izao fa tsy afaka miampita ranomasina ny politikan’ny mahery an-tanana, ka ny eto ampijaliana, terena hanaiky ny mainty ho fotsy, foretina amin’ny basy aman-tafondro,… mba hanaiky ny tsy rariny, hanaiky herisetra, hanaiky fifidianana maloto, hanaiky jadona,… Asa rahoviana vao handray lesona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT