Edito

Mahery an-tanŕn-dehibe


  • Zoma 22 Jona 2012

Dia tena mahatalanjona mihitsy indraindray ny afitsok'ireo mpitondra ao anatin'ny tetezamita. Ao ny miady sy tsy mifampiteny.

 Misy koa ireo mifanipaka fomba fijery. Ao koa ireo tsy misalasala maneso na manala baraka ny mpiara miasa aminy. Hita koa matetika fa tsy dia mitovy loatra ny tadin-dokanga eo amin'ny samy manampahefana. Farany teo dia tsy nety nahita ny marimaritra iraisana amin'ny fananganana ilay Komitin'ny fampihavanana malagasy ny CT sy ny CST. Momba ilay raharaha dahalo any atsimo koa dia mibaribary ny tsy fitovian-kevitra. Ny praiminisitra Beriziky dia tsy mankasitraka ny fanafihana avy hatrany ireo dahalo, fa hoe mifampiresaka aloha, tsy mitovy hevitra aminy anefa ny minisitry ny fiarovam-pirenena.

Manjavozavo ihany koa ny tena hevitry ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena momba ity raharaha ity. Omaly indray dia nilaza ny heviny ny minisitry ny atitany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin'ny tafika vahiny, eo amin'ity ady amin'ny dahalo ity, eny fa na dia momba ny fanampiana ara-pitaovana fotsiny aza. Ary mieritreritra izy fa tokony hilamina mialoha ny 26 jona ity raharaha ity, izany hoe voasambotra daholo ireo dahalo, na maty na velona. Toa ny manaporofo ity tenin'ny minisitry ny atitany ity fa marina ilay resaka etsy sy eroa fa tsy ampy fitaovana ary sahirana manoloana ny fahavalo matanjaka ny tafika Malagasy sy ny mpitandro ny filaminana, ka tsy maintsy mila fanampiana avy any ivelany. Mahery an-tanàn-dehibe manenjika sy misambotra ny mpanohitra fotsiny, saingy miahotra ihany rehefa tena hifandona amin'ny dahalo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT