Edito

Mahery amin’ny ratsy !


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Rehefa tena zohiana ny tantara sy ny zava-misy, atao ny fampitahana, refesina ny zavatra nampanantenaina sy ny zavatra tanteraka,

ny azo hamehezana azy dia ny hoe: “Tanteraka tato anatin’ny telo taona sy tapany na mandritra ny 5 taona hitondrana mihitsy ny fahapotehana, ny lainga, ny fampanantenana poak’aty, fitotonganana ara-toekarena, krizy ara-tsosialy, tsy fahaiza-mitantana,… izay tsy nisy sy tsy vita hatramin’ny nahazoana fahaleovantena”. Tsy mitsahatra ny mikorosy fahana ny firenena. Mbola miharihary ary voaporofo hatrany ilay hoe: ny mpandamina mety mahay manakorontana fa ny mpanakorontana tsy mahay mandamina izany. Tsy finiavana hitsikera fa tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny eto, ary mety masiatsiaka ny fitenenana raha hilaza fa toa iny olona iny, na ireto vondrona ireto mihitsy no toa olana ho an’i Madagasikara. Tsapa sy tsikaritra fa mora amin’izy ireo ny mandrombaka fahefana, hainy ny don-tandroka, hainy ny mandrangaranga hery sy sakoroka,… hany ka toa milefitra ho azy ny hafa. Vidian-dafo amin’ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy anefa ny fanekena azy ho mpandidy sy mpanapaka eto. Inona moa izany izao no tena voafehiny? Ny diplaomasia efa ratsy laza hatrany amin’ny 2009 izy ary tsy mety voafafa ny laza ratsy. Ratsiratsy ny fifandraisany amin’ny mpamatsy vola izay nanaovany vava be fa na afaka 60 taona aza tsy handroso raha ireo no ianteherana. Toa tratry ny don-tandroka ambadika na mivantana avy aminy ireo orinasa goavana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mba mampiditra vola betsaka amin’ny resaka hetra ka tsy marisika sy mailo amin’ny fampiasam-bola eto ny orinasa iraisam-pirenena. Ny orinasan-tsolika indray izao no mifanejan-tsandry aminy noho ny resaka trosa mifampiditra, kanefa ny vahoaka no mizaka ny vokany amin’ny Jiro maizin’ny jirama. Ny mpandraharaha sy orinasa tamin’ny asa làlana sy manara-penitra maro no mitaraina fa tsy naloany ny vola hatreto, ny mpandanja fiara migrevy fa tsy voaloa ny karama ary lazaina fa tapitra amin’izao 2022 izao ny hitantanan’ny Fanjakana azy ka homena ny tsy miankina. Ny kaompaniam-pitaterana Malagasy reharehantsika fahiny dia izy mianankavy no nandray anjara betsaka indrindra tamin’ny famotehana. Ny fahantrana moa miakatra hatrany ny tahany, 7% tao anatin’ny 3 taona izay tsy mbola nisy hatramin’ny nahazoana fahaleovantena,… Fa na inona na inona hadisoany sy tsy fahaiza-mitantany, fady aminy ny hiaky, tsy mba mety diso izy. Hoy ny sarín-teny sy vazivazin’ilay ranamana iray izay hoe: “na mety efa hitanao any amin’ny afobe aza ireo, dia lazainy fa mitsidika olona no ataony any!”
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT