Edito

Mahay politika fa tsy mahay mitondra


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Azo lazaina ho mahay politika, mahay maka fahefana, mahay mametsifetsy vahoaka,… ny fitondrana ankehitriny. Tsy mahay sy very lavitra kosa any amin’ny fitondrana firenena na azy daholo aza

 ny rafi-pitantanana hatrany amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny faratampony. Tsy isika no mamorona, fa miteny ho azy ny zava-misy ara-toekarena sy ara-tsosialy, hita miharihary amin’ny fiainam-bahoaka. Tena henjana amin’ny fandrombaham-pahafena na tamin-kery, na tamina ton-tandroka, na tamin’ny kajikajy politika efa tsara paika. Manana politisianina tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fandrombaham-pahefana, tompon’ny sandry, tompon’ny taim-bava, tompon’ny vola be. Feno ny fepetra ara-politika saingy very lavitra kosa any amin’ny fahaiza-manao hampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Izay tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe: ny mpanakorontana tsy mahay mandamina, fa ny mpandamina no afaka manakorontana? Mihazohazo tsy hay handroso tsy hay hihemotra, tsy maty hafoy sady tsy velon-kantenaina, tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika, hoy ny fitenenana. Zary fialana bala hatrany ny hoe: sembatsembanin’ny mpanohitra, avelao handeha ny fampandrosoana efa manomboka,… Averina foana ny hoe: angaha Fanjakana malemy sy tsy mamim-bahoaka ity no mpanohitra lazaina fa resy lava hatrany ny sakana? Lasa miezaka mitady izay fomba rehetra hanoherana ny mpanohitra, mamono afo, miditra amina kilalao politika hampiadiana ny fanoherana, mety tonga hatramin’ny famafazana vola be,… hany ka tafiditra anaty vela-pandrika. Mety haharo hatramin’ny farany ny fitondrana ve izany,… Tsy mila kajikajy maloto na fividianana olona io raha tena miasa ho an’ny vahoaka, mahay mijery ny tena maika sy laharam-pahamena, mahava ny tena olana misy. Tsy hisy mpanohitra atahorana akory, saingy tsy ny fahantrana sy ny krizy ara-tsosialy ary indrindra ara-toekarena no olan’ny mpitondra, fa sao hahazaka vahoaka sy hahazo fahefana ny mpifandrina. Mila miaiky ny lesoka, mila manetry tena sy manaiky ny fahadisoana. Sa kosa mbola miandry ny akoho haniry nify vao mba hiaiky ny tsy fahombiazana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT