Edito

Mahay mandrehitra fa tsy mahay mamono


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Mandrangaranga ny fanasaziana ireo mpiasam-panjakana migrevy ary tsy mety miverina miasa ny filohan’ny tetezamita. Anton’ny fitokonana moa amin’ny ankapobeny, ny resaka fampitoviana ny marikarama, ny fampitomboana karama sy tambin-karama ary ny fanomezana ny hasin’ny asam-panjakana

 Mbola misy koa anefa ny antony hafa izay miovaova araka ny sehatr’asa. Samy hafa mihitsy, ohatra, ny olana misy eo amin’ny mpampianatra sy ny mpiasan’ny Banky Foibe, ary na sehatra iray ihany aza no misy ny dokotera sy ny Paramed dia misy fahasamihafany kely ny fitakiana. Fa ny iombonan’izy ireo rehetra hevitra dia ny zavatra tsy mety, marary ny asam-panjakana ary tokony hamaha io olana io ny tetezamita, fa tsy iandrasana ny filoha voafidy izany. Ny tetezamita rahateo efa kely sisa dia hitovy amin’ny fitondrana ara-dalàna ny faharetan’ny fe-potoana iasany. Etsy ankilan’izay dia manatanteraka asa tokony hosahanin’ny fitondrana ara-dalàna ilay tetezamita. Ka nahoana moa no milaza indray izy fa tsy mahavaha ny fitakiana sendikaly ? Dia mihenjana isaky ny mihetsika ny tady eo amin’ny fitondrana tetezamita sy ireo sendikan’ny mpiasa. Iny vao nohamafisin’i Andry Rajoelina tany Mahajanga ny alatsinainy 16 jolay iny fa dia hihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo izay mbola mitokona. Dia mihodinkodina eo ny raharaha fa tsy mety ahitam-bahaolana tahaka ny krizy.

Tsy mety mipetraka ny fifampitokisana, tsy misy ny fifandeferana ary tena mbola lavitry ny afo ny kitay, raha fitoniana no resahana. Samy nanana ny fomba fandraisany ilay hoe fanovana ny tsirairay avy. I Andry Rajoelina raha nitarika olona nidina an-dalabe nandrodana an-dRavalomanana dia nilokaloka fa hahavita zavatra betsaka sy tsara kokoa, noho ny teo aloha, ary haingana kokoa ny fe-potoana hanatanterahana izany. Maro ny nanantena fa dia ho vita tokoa izany, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana anefa ny FAT dia vao niha nahantra ny Malagasy, tsy ampy hivelomana intsony ny vola raisina isam-bolana, kanefa ireo manampahefana sy mpanao politika toa miha matavy, manana fiara tsara sy lafoy ary manorina trano be etsy sy eroa. Tsy mahagaga ny olona raha mihevitra fa misy vola be ao ambonimbony ao, ka tokony hozaraina ilay izy fa tsy hoe ny minisitra sy CST ary CT ihany no handray karama be isam-bolana. Dia io fitakiana lavareny tsy mety vita io. Main’ny afo natsangany i Andry Rajoelina, raha ny tena marina ka asa raha hahay hamono io afo io, na hiaraka ho may amin’ny rehetra ao...?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT