Edito

Mahavaha olana ve ?


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Ny resaka frankôfônia no tena mahamaika ny fitondrana HVM amin’izao fotoana.


Io, hono, no mampisongadina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba misy sary mahafinaritra mivoaka fa tsy resaka fako sy dahalo ary kidnapping sy fitsaram-bahoaka foana no hita. Samy hanadihady aty Madagasikara ny gazety boky Amerikanina Forbes sy ny fahitalavitra TV5 Monde ary inoana fa mbola mpanao gazety vahiny maro be no ho avy. Tsy resaka halako bika tsy tiako tarehy ny resaka eto fa fampatsiahivana fotsiny. I Madagasikara dia mbola firenena anaty krizy, fampihavanam-pirenena tsy mbola vita, ny fanonerana ireo niharam-boina noho ny krizy nifandimby mbola resaka any an-kibon’ny omby. Hita mibaribary any anaty fiarahamonina fa misy Malagasy mifandrafy, isan’andro no hahatsapana fa mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy kanefa ny vidin’entana mitombo hatrany. Ny resaka angovo dia mbola olana goavana eto, delestazy isaky ny mihetsika. Manomboka manahirana koa ny famatsiana rano fisotro madio. Afaka manome toky ve ny mpitondra HVM fa rehefa atao eto ny fihaonana an-tampony faha-16 n’ny OIF dia hivaha ireo olana ireo ? Sa rehefa vita ny fivoriana ka lasa mody ny vahiny nasaina dia miverina indray ny krizy ? Aoka tsy hifanadala fa tsy ny Frankofonia mihitsy no mibaiko ny banky iraisam-pirenena sy ny FMI ary ny vondrona Eoropeanina ka hoe hampitobaka famatsiam-bola eto ry zareo satria hatao eto ny fivoriana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT