Edito

Mahavaha olana ve ?


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Tsy ambony tsy ambany ny toe-draharaha eto Madagasikara momba ny fitantanana ny firenena.


 Efa ho isan’andro no andrenesana fa misy mpiara-miasa mitsidika ny filoha na ny praiminisitra na ny minisitra isan-karazany, fa tsy misy tohiny ny fihaonana. Nivadika vola ve sa nivadika sakafo sa nivadika fitaovam-pamokarana ? Ny Maorisianina izao farany teo vao nampatsiahy indray fa mazoto ho avy eto Madagasikara saingy manahy amin’ny fiarovana ny fampiasam-bolany sy ny orinasany. Azo atao hoe efa hananantsika ny rafitra fa ny fomba fampiasana azy no maisatra be. Farany aty afrika sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, hany ka ny nosy La Réunion kely io avy no mitady handrapaka ambongadiny ny tsenan’ny Air Madagascar mankany Azia fa mody sarontsaronana amina endri-piaraha-miasa manjavozavo fotsiny aty am-piandohana. Mahafantatra tsara ny zava-misy rehetra eto marina ve ny mpitondra, mahalala ny olana ary manana vahaolana ve ? Sa mijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny ireny paikady ambara anaty kabary ireny e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT