Edito

Mahari-pery


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Mifankafantatra tsara ny vahoaka sy ny mpanao politika eto Madagasikara.

 Tsy mifanafina toetra ireo fa dia mifankalala tsara mihitsy, satria na samy hafa aza ny asa aman'andraikitra dia mihaona eny anivon'ny fiarahamonina eny ihany. Na dia eo aza anefa izany dia mbola mahagaga fa mahasahy, hatrany mamitaka ny vahoaka ny mpanao politika. Ny Malagasy rahateo moa malaza fa tia fihavanana sy mahari-pery, koa dia milamin-tsaina ery ny mpanao politka, ka manisa 7 na 10 fotsiny, izay vao mba mikorapaka. Voaporofo ara-tantara fa isaky ny 7 na 10 taona eo ny Malagasy vao mihetsika sy midina an-dalambe maneho ny tsy fahafaliany na ny tsy fankasitrahany intsony ny mpitondra. Azo antoka fa efa tao an-tsain'i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina azy, io kajy tsotsotra io tamin'ny desambra 2008 raha niantso ny mponina teto Antananarivo mba hidina an-dalambe izy ireo. T

elo taona izao no nisian'ny fitondrana tetezamita, efa tena lafo lavitra noho ny tamin'ny fitondrana Ravalomanana ny fiainana sy ny vidin-javatra eny an-tsena. Mirongatra ny asan-jiolahy sy ny vono olona. Miverina ny vaky fasana, isan-karazany ny mpamitaka sy mpisoloky. Mivandravandra ny fanangonan-karena ataon'ny mpitondra maro, izay manorina trano mijoalajoala etsy sy eroa. Miakatra ny vidin-tsolika, ny saran'ny jiro sy rano ary mety mbola hiakatra ihany atsy aoriana kely. Mandefitra manana ny rariny anefa ny vahoaka, rehefa tsy ampy ny vola am-pelatanana dia ny miditra ao am-bava no ahena. Ny fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa moa tsy lazaina intsony. Mikorontana ny fiainana eto, ary hita fa tena mbola sarotra ny fikarohana ilay vahaolana. Ka inona moa izany no tena antony nandrodanana ilay teo aloha, raha toa ka vao mihasarotra ny fiainana ary tena hita be izao fa tsy mahavita azy ny fitondrana ? Ny mpitondra mihamatavy, ny vahoaka mihamahia, kanefa dia mbola miaritra ihany aloha fa ... Gasy eh ! Dia mahari-pery tokoa isika ka !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT