mihemotra amin’ny lafiny rehetra isika na ezahina takotakonana sy
sarontsaronana amin’ny seho ivelany aza. Miha mahantra amin’ny rehetra ihany koa, na ara-materialy na ara-tsaina. Ny olona miha sahirana sy mahantra fadiranovana raha ny lafiny ara-toekarena sy ara-bola. Manampy trotraka izany ny fahantrana ara-tsaina izay porofoin’ny endrika fikorontanana ara-piarahamonina maro. Tsy hita taratra intsony ilay soatoavina nahafantarana antsika dia ny fitandroana ny hasin’ny aina, hany ka sanatrian’ny vava tahaka ny mamono akoho amam-borona ny mandatsaka ain’olombelona ankehitriny. Mbola taratry ny fahantrana ara-tsaina ihany koa no toa tsy dia hivakian’ny olona loha firy intsony ny adidy aman’andraikitra amin’ny maha olom-pirenena, difotra tanteraka ao anatin’ny fitadiavana izay harapaka anio na minia misintaka lavitra amin’ny fisainana sy fieritreretana momba ny raharaham-pirenena. Vokany, samy maka ho azy ny mpitondra sy ny entina, ka mety zaran’ny andaniny difotry ny fahantrana ao ny valalabemandry mba tsy hisian’ny sakantsakana amin’izay tiany hatao. Raha ny fitantanany ny firenena hatramin’izay dia tena tsy misy raha manjary araka ilay fomba fiteny, raha jerena amin’ny ankampobeny. Ny rehetra no afaka manamarina izany amin’ny fiainany andavanandro, ary tena azo tsapain-tànana sy miantraika any am-bilany io : vidim-piainana, fahapotehan’ny làlana, delestazy, tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa,… Mody takonany amin’ireo kely vitany, lalaoviny amin’ny serasera, hampiasany fizarana kitsinjotsinjo na kijirojiro mety ho indray mandeha isaky ny dimy taona dia amin’ny fifidianana manaraka indray mifankahita. Tsy mbola resy ny Malagasy, mila mifoha ny mason-tsaina sy masom-panahy,… mba hanatsibadihana ny politikan’ny fanabadoana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.