Mahantra indrindra!

3 andro lasa indray izay no nivoahan’ny


  • Zoma 01 Desambra 2023

tarehimarika namehy fa firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny

tany ity firenentsika ity, araka ny tombana nataon’ny banky iraisampirenena hatrany moa izany. Mampalahelo ny maheno na mahita fa fadiranovana ny 80,7%n’ny malagasy ary mahaonena indrindra koa ny maheno fa faha 124 amin’ny firenena miisa 125 isika amin’ny resaka fanjarian-tsakafo. Isan’ireo tarehimarika nanahirana tato ho ato daholo izany ary tena madilo ny sofina maheno azy, raha mbola tena malagasy ihany koa. Resaka fahantrana ara-nofo moa raha ireo voatanisa ireo fa rehefa mahita ny fifandrangitana, indrindra, ara-politika eny amin’ny fiarahamonina eny tato ho ato ihany koa dia tena miharihary izany amin’izao fotoana izao fa tena lasa mahantra indrindra ara-soatoavina koa ilay fiarahamonina malagasy nalaza ho tompon’ny fihavanana. Hatramin’ireo malagasy monina any am-pitan-dranomasina no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe misintona lakolosy. Ao ny milaza fa “tokony hivarotra finday sy miala amin’ny FB ireo malagasy milaza ho mahantra ao Madagasikara ireo!”. Mampametra-panontaniana ihany hoe olona mipetraka any am-pitandranomasina, any amina firenen-dehibe, efa mba lasa lavitra amin’ny tekinolojia ve dia tsy hahatakatra hoe efa isan’ny fitaovam-piasana hivelomana tsy an’asa tsy vitsy ihany anie amin’izao fotoana izao izany tambazotran-tserasera izany ary efa fitaovana hifanakalozam-bola isan’ny tena miasa hatrany ambanivohitra koa izany finday izany? Ho hita indray moa anio izay hitranga ery amin’ny HCC ery sy ny mety ho tohiny. Ny tohiny eo amin’ny lafiny politika eo ihany fa ny tohiny ara-piarahamonina no enga anie ka ho diso ny fanahiana maro taratra eny rehetra eny amin’izao fotoana izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT