Tsy tahotra tsy henatra indray no namoahan'ny olon'ny fitondrana FAT, NOTAM amin'ny endriny hafa kely ny sabotsy 04 febroary atoandro teo, mampitandrina ny kaompaniam-pitaterana Airlink raha mitondra an-dRtoa Lalao Ravalomanana ho aty Madagasikara.
Dia niverina indray ny zava-nitranga tamin'ny 21 janoary 2012, ary dia nosakanana ny fodian'ireo sesitany. Tsy mpanao politika, tsy olona manan-draharaha amin'ny fitsarana, tsy manana bokon'ozotra handroba na hanakorontana Rtoa Lalao Ravalomanana kanefa dia tsy atokisan'ny FAT tsotra izao. Fa nahoana mihitsy ary ? Sa ve izay ilay hoe : mahana ny ...mpanao ratsy ! Mety azo noeritreretina hoe : mitombina ihany ny fanakanana ny fodian'ny filoha teo aloha, noho izy tena manana lanja politika goavana eto Madagasikara ka mety hampirodana ny fitondran’i Andry Rajoelina; saingy tena miendrika fomba fiadin'ny kanosa kosa ny fanakanana an-dRtoa vadiny hody an-tanindrazana.
Ary mba ahoana koa moa ny fanajana ny zon'ny olom-pirenena sy ny zon'olombelona amin'izany ? Tena rariny sy hitsiny raha tsy mahita rirany amin'ny Amerikanina sy ny Vondrona Eorôpeanina i Andry Rajoelina sy ny tetezamita tarihany, satria manosihosy tanteraka mihitsy ny fanajana ny zo fototra maha olona sy ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny. Ny ahiana aza ato ho ato, araka ny fandinihan'ny mpanara-baobao azy dia mety ho roahina hiala eto Madagasikara koa i Tojo Ravalomanana, dia avy eo hamoahana tsy fahazoana mipetraka eto mihitsy ny fianakaviana Ravalomanana. Izany tokoa angamba no fanovana nampanantenaina tamin'ny 2009, ny tsy mety ovaina ho mety, ny fotsy ovaina ho mainty, ny Malagasy roahana amin'ny taniny na tsy avela hody, fa ny Karana, Frantsay, Sinoa sy vahiny hafa avela miliba eto mividy tany, manangana trano mijoalajoala, manondrana an-tsokosoko boaderozy sy vato sarobidy ary biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Fa inona moa no tena atahoran'ny FAT amin'ny fianakaviana Ravalomanana, kanefa nambara fa hoe : efa naloan'ny vahaoaka ary tsy tiany intsony ? Koa avelao ary ry zareo ho avy eto, dia ho hita eo ny ambaran'ny tena Vahoaka. Raha olona lazaina fa maivana, tsy ankafizin'ny olona sy tsy mahavita azy izany, dia tsy mila sakanana na itadiavana izao tetika rehetra izao no haminganana azy. Avela izy ho faty ho azy eny ! Fa matoa mampikorapaka ny olona iray, dia ao raha ! Ary tena atahorana izy. Io koa izay mihin-tsakay ihany no mahalala fa masiaka ny pilokely, ary matoa tsy matokitoky olona izany dia, efa mpamitaka olona ihany koa. Misy ny olona lany andro mieritreri-dratsy amin'ny hafa, ka na ny olona ao an-tranony aza tsy atokisany intsony, vao maika moa fa olona nifampitana taminy sy norombahany fahefana ! Mahana ny mpanao ratsy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.