Edito

Mahana amin’ny ratsy atao !


  • Alarobia 28 Jona 2017

Mbola mitana ny sain’ny maro ny fihetsiketsehana sy ilay fiarovana fatratra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny Mahamasina nandritra ny lanonana nenti-nanamarika ny fetim-pirenena.

Ny fotoana toy ireny no tsara indrindra hanehoana fa akaiky sy tsy manangana efitra amin’ny vahoaka, tsy izay anefa no niseho. Raha olona mahatsapa tena ho nanao ny marina sy mahatoky fa mamim-bahoaka dia tsy ho toy ireny mihitsy ny fihetsika. Tsy vitan’ny manangana rindrina amin’ny vahoaka fa mampanantena poakaty koa. Miezaka ny mihetsiketsika sy manarontsarona ny famotehana ny firenena nataony ny fanjakana Rajaonarimampianina. Izao vao mody mikofokofoka sy te haneho fa manao zavatra sy manasoa ny firenena. Paikadin’ny mpitondra ankehitriny ny mody manao tetikasa lehibe sy lavitr’ezaka, izay maharitra an-taonany maro, toy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay ambara fa any amin’ny taona 2025 no hahavitany. Toy izany ihany koa ny fanitarana ny seranam-piaramanidina any Toliara, izay ambara fa ho vita any amin’ny taona 2018. Atao ireny mba hoenti-manapempo ny saim-bahoaka hifidy ny HVM, ka holazaina fa tsy ho tontosa ny tanjona sy ny fampandrosoana efa natombony raha tsy izy ireo ihany ny eo amin’ny toerany. Hatramin’izay anefa tsy hita izay natao, ka izy ireo mitombo harena amin’ny tsy ara-drariny fa ny vahoaka miha difotry ny fahantrana hatrany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT