Edito

Mahana amin’ny ratsy atao !


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany izany fitondrana mandrara sy manakantsakana ny mpanao politika na ny olom-pirenena hanamarika ny fanamarihana ny tolona nitakiana fanovana ary kihon-dalana lehibe teo amin’ny tantaran’ny firenena izany.


Na inona na inona tsy fitovian-kevitra, dia fitsingerenan’ny vanim-potoana nanamarika ny tantaram-pirenena no nomarihina afak’omaly 13 mey sy tany aloha rehetra saingy nosakantsakanana, ka mpitandro ny filaminana mirongo basy sy vonon-kiady no hajoro hamoritra izay mety fihetsiketsehana sy fanehoan-kevitra mety hampiozongozona ny mpitondra. Tahotra no betsaka, ka izay rehetra hetsika mety hahitana sy hanehoana tsy fankasitrahana, indrindra fa ny famoriam-bahoaka, dia hanaovana antsojay avokoa. Raha fanjakana mahatsapa tena ho nanao ny marina sy mbola mamim-bahoaka tsy hahavita hanaotao foana sy hanao fitaovana ny mpitandro ny filaminana ho herim-pamoretana. Mahana amin’ny ratsy atao sy efa tena diso adversera, ka any amin’ny fampiasan-kery sisa no farahevitra hoenti-mampankato ny vahoaka hankasitraka ny fitondrana ankehitriny. Mety mbola ho izany ihany koa no hatao aoriana kely ao, ka na fitondrana efa haloan’ny vahoaka amin’ny fifidianana ho avy aza, dia mbola hampiasa ny fomba maloto efa mahazatra azy amin’ny hala-bato efa voaomana, ary hampiasana ny herim-pamoretana indray hampanaiky ny rehetra hankato ny olona efa naloany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT