Mahamay!

Sady ara-bakiteny ankehitriny no an-tsariteny ny tranga eto amin’ny firenena raha ilazàna


  • Talata 07 Janoary 2025

hoe mahamay! Mahamay ny toetry ny andro. Tsy mety latsaka ny orana. Vao mainka koa mirongatra

etsy an-kilan’izay ny doro tanety ary heverina ho tena nampivarahontsana ireny niseho tany Taolagnaro omaly ireny. May ny tanàna! Mahamay koa, etsy ankilan’izay, ny raharaham-pirenena, indrindra, ny raharaha politika. Nadoboka am-ponja indray ny mpiaradia amin’ny firehana tsy mitovy hevitra amin’ny fitondràm-panjakàna. Fanontaniana efa apetraky ny mpanara-baovao sahady, indrindra, ny anivon’ny fanoherana amin’izao fotoana izao ny hoe minia mandrehitra afo ve ny fitondràm-panjakàna dia ho may eto koa ny tanàna politika eto amin’ny firenena? Heverina fa mifono zavatra be dia be izany isan’ny fanontanian’ny mpanara-baovao izany ary vahaolana efa matetika voizina foana saingy mbola voamarina fa tsy misy mpitondra mety hiaraka hanatanteraka azy amin’izao fotoana izao ny resaka fifampiresahana. Haningana tamin’izay nisedra lesoka hafa rehetra nandalo te ove nefa ny fitondràna ankehitriny ka hanaiky izay fifampiresahan’ny herivelona rehetra izay sa sanatrian’izany mbola hiandry tranga mahamay lavitra noho ny efa iainana eto ankehitriny?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT