Edito

Mahakivy ambony ihany


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Mbola an-dalam-pandrosoana ve i Madagasikara sa efa tena an-dalam-pihemorana?

 

 

 Firy km2 izany izao sisa no velaran’ity tany ity? Mbola hanana tany hipetrahan’ny tongony ve ny vahoaka Malagasy afaka 10 sy 20 taona? Santionany amin’ireo fanontaniana isan’ny mivezivezy eny amin’ny tambazotran-tserasera sy ny fiarahamonina eny ireo rehefa mihaino ireo mbola mba liana amin’ny raharaha mikasika ity firenena ity. Na dia maha velom-bolo mampatahotra ihany aza etsy an-kilan’ireo ny tsy firaharahian-dRamalagasy intsony ilay valanaretina mbola tsy afaka iny dia mampihorohoro lavitra mihoatra ny loza ahiana hitranga eto amin’ity firenena ity ilay olombelona malagady toa tsy mahalala intsony ny tokony ataony famiraviravin-tanana tanteraka manoloana ny sanatria mety tsy ho fahavanonan’ny hoavin’ny taranany eto intsony. Ny mpitondra sy ny mpiaradia aminy moa izany andeha atao hoe faly amin’izao fotoana izao satria lasan’ny loko volomboasary avokoa ireo rafitra rehetra misy eto amin’ny firenena. Ny toeran’ny mpanohitra koa aza angamba mbola kasainy alaina ambongadiny saingy ny mahagaga ao anatin’izany rehetra izany dia izy mbola tsy mety mahavanona araka ny tokony ho izy ilay veliranony hatrany. Ekena fa nandalo tokoa ny aretina saingy nanakana ireo firenen-kafa tsy hanatanteraka ireo fototry ny tetikasany ve izany? Fa maninona no ny firenentsika irery no lasa faharoa amin’ireo mahantra? Hatramin’ny fandaminana famonjana avy no misavoritaka kanefa efa olon’ny fitondrana daholo no tafapetraka amin’ireo rafitra misy. Enga anie mba tena hitondra fampandrosoam-pirenena amin’izay tokoa ity volomboasary hatramin’ny atin’ny lapa maitso ity fa raha atao tazan-davitra aloha dia toa mahakivy ambony ihany ny zava-misy hatreto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT