Edito

Mahakivy


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Ny ataon’ireo mpitondra fanjakana ihany no mahatonga ny olona tezitra amin’azy ireo,be loatra ny tandrevaka,gaboraraka,fanaparam-pahefana.Kabary izany natao teto izany,ho avy ny hery vaovao e…

Efa ho roa taona aty aoriana fa mbola miodikondina am-pitoerana ihany aloha isika, tsy nandroso fa tena nihemotra.Mirehitra mena daholo ny jiro, « ratsy ny afera » hoy ny firesaky ny tanora izay.Ny vola eo am-pelatanana mihena, ny any amin’ny banky efa manify, ny vokatra amidy tsy misy, ny mpamatsy vola mampifilafila.Ny any amin’ny ministera efa tsy afaka mamoaka vola intsony, ary na dinihana sy laniana eny amin’ny parlemanta aza ilay volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola, taratasy ihany iny fa ilay vola mihitsy anie no tsy misy e !Tsapa tsara amin’izay izao ny vokatry ny krizy 2009 dia ny gaboraraka,kolikoly,tsy filaminana,tsy fisian’ny fitoniana…mikatso ho azy ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola ,mpiara-miombon’antoka.Maro ny olona efa tena kivy satria tsapan’izy ireo fa mbola ho ela izany fitoniana sy filaminana izany raha tahaka izao no fomba fiasan’ny mpitondra fanjakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT