Edito

Mahakely finoana


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Tsy misy mahalala izay zavatra nifampiresahan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tany Seychelles, fa dia tombantombana no betsaka.

 Azo antoka kosa anefa fa manodidina ny fametrahana ny fitoniana sy fitantanana ny tetezamita hiampitana any amin’ny fifidianana ny resaka tany. Efa hatrany amin’ny fifanarahan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba moa, ary mbola hita tao amin’ny tondrozotra ihany koa ny fisian’ireo fepetra tokony hotanterahana mba hisian’ny fitoniana politika. Noresahana manokana ny amin’ny fianakaviana Ravalomanana sy ny fananan’izy ireo, izay nibaribary fa nopotehan’ny sasany, noho ny antony efa fantatra ihany. Tamin’ny 21 janoary 2011 no nikasa hiverina teto an-tanindrazana ity filoha teo aloha ity sy Ramatoa vadiny, saingy tsy tanteraka izany noho ny Notam navoaky ny filohan’ny tetezamita tamin’ny ora farany ka nanakanana azy ireo. Efa niaraha-nahita tamin’ny zoma ireny indray ny zavatra nataon’ny fiadidiana ny repoblika. Gaga sy talanjona ny maro ny amin’ny antony nanakanana an-dramatoa Lalao Ravalomanana, izay marihana fa sady tsy mpanao politika no tsy manan-draharaha amin’ny fitsarana ary tsy meloka ihany koa no tsy namoahana didy fampisamborana. Voasakana tahaka izany koa ny vinanto vaviny.

Hita mibaribary tamin’ireny fa tsy mbola tonga soa eto Madagasikara ny fianakaviana Ravalomanana ka na misy fifanarahana na tsia dia mbola sarotra amin’izy ireo ny hody an-kalalahana eto. Toa mitombina ihany ny resaka tetsy sy teroa tamin’ireny 2009 ireny fa tena misy mikasa ny hamono tanteraka ny anarana Ravalomanana izany eto. Tsy resaka foto-kevitra intsony no miady fa tena ny fankahalana olona tsotra izao no misy. Io ny antony mahakely finoana ny olona sasany amin’ilay diniky ny roa tonta, satria efa fantatra ihany ny fomba fisainan’ny FAT. Efa maromaro ihany ny fihetsika mitory fandeferana nataon’ingahy Ravalomanana, eny fa na dia ny fanekeny ilay nanongana azy, ho filohan’ny tetezamita fotsiny ihany aza. Fa raha i Andry Rajoelina sy ny ekipany kosa dia toa am-bava fotsiny ihany ilay hoe fandeferana sy fikatsahana ny fitoniana. Ahoana moa no tena maharesy lahatra ny mpitondra FAT fa tsy maintsy hiteraka korontana sy rombo eto ny fahatongavan’i Lalao Ravalomanana, kanefa tsy nisy fanambarana na dia iray aza milaza ny tsy fankasitrahana io fahatongavana io. Hafa indray ny resaka raha hoe Marc Ravalomanana. Ilay fanakanana ny vadiny kosa aloha dia tena tsy mazava. Tahaka ny mbola manaporofo hatrany fa zaza no mitondra ity firenena ity !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT