Edito

Mahakely finoana


  • Alakamisy 02 Jona 2016

Tsy misy eto Madagasikara ny ady an-trano ary tsy misy maniry ny hisian’izany


. Efa nisy nanandrana nampiady foko teto saingy tsy tanteraka haramin’izao satria samy hafa amin’ny fomba fisainan’ny Afrikanina mafana fo sady mafana ra ny foto-kevitry ny Malagasy. Mahagaga anefa fa efa nosongonan’ireo firenena Afrikanina mpiady an-trano sy nisiana adim-poko mahatsiravina isika, tahaka an’i Cote d’Ivoire, Rwanda, RDC. Dia tena mahavalalanina ny zava-misy eto Madagasikara, fantatra tsara izao anefa fa manan-karena ankibon’ny tany sy any anaty ranomasina ity firenena ity. Midadasika ny tany lonaka eto, tsy misy olana ny rano, azo heverina fa anisan’ny mbola tsara maneran-tany n toetry ny andro amin’ny ankapobeny.Ka inona moa izany fa ny olmbelona miaina eto no fototry ny olana mampahantra an’i Gasikara e, eo aloha ny mpitodra fanjakana mpanao politika sy izay manana andaikitra. Fa eo ihany koa ny vahoaka izay manaiky ampiesonina sy fitahina isaky ny mihetsika. Rahoviana vao hisokatra ny masom-panahin’ny Malagasy ka hahay hiara-monina sy hifanampy amin’izay fa tsy handany fotoana amin’ny fifaminganana ? Vitan’izao fitondran’ny HVM izao ve ny handamina ny firenena sy hanavotra ny Malagasy ? Ohatry ny mahakely finoana ihany satria ry zareo samy manampahefana aza manomboka tsy mifampatoky.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT