Mahaiza mijery sy mandinika!

Ny fifidianana izao no malaza satria efa nahazo ny laharany avokoa izany izao


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Henjakenjana ny fifaninanana satria hatrany am-boalohany no nandeha ny ady an-kamely ataon’ny klioban’ny volomboasary. Tsy tanjona ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana fa dingana ihany. Mitaky asa sy finiavana ary tena fitondrana ny hetahetam-bahoaka. Tena mitaky fahaiza-manao sy traikefa ary tsy mila mataho-maso mena raha tena hiaro ny tombotsoan’ny besinimaro tokoa. Ny fahefana mpanao lalàna araka izany anarany izany, dia natao hanao lalàna tena mifanaraka amin’ny tombotsoam-bahoaka, hanara-maso sy hanery ny mpanatanteraka, handinika sy handany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hifanaraka amin’ny tena filan’ny vahoaka miainga eny ifotony,… Andrim-panjakana tsy natao hianonkanona fotsiny io noho izany, fa tena mila mametraka fifandanjan-kery na “rapport des forces” amin’ny mpanatanteraka. Tsy ho mpitsikombakomba na ho saribakolin’ny fitondrana eo anatrehan’ny mpanatanteraka, tsy ho mpiaro ny fitondrana amin’ny tsy fahombiazany,… Dia anjaran’ny rehetra izany no mijery sy mandinika lalina hoe: iza tokoa amin’ireo kandida no tokony ho mendrika ho fidiana? Iza no tena hiady ho an’ny vahoaka fa tsy ho bolokin’ny mpanatanteraka? Mila mifidy am-paharanintan-tsaina noho izany ny rehetra fa tsy hanaiky habadoina amin’ny koveta lava eto!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT