Nanapa-kevitra ny hampihemotra herinandro ny fifidianana fiodinana faharoa saika ho tanterahana ny 21 novambra ho avy izao ny CENI any Cote d’Ivoire ary neken’ny filankevitry ny governenanta izany. Ny 28 novambra indray izany vao hiatrika ny fitsaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato Atoa isany Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny CENI any an-toerana dia lafiny teknika tanteraka no nahatonga io fanapahan-kevitra io, tsy maintsy atao tomombana tsara mantsy araka ny fanazavany ny fanaparitahana ny fitaovana tahaka ny vato-pifidianana, ny vata fandatsaham-bato sy ireo taratasy maro samihafa, manerana an’i Cote d’Ivoire ; mbola mila fotoana kely ihany koa ny fiomanan’ireo mpanara-maso sy tompon’andraikitra isaky ny birao-pifidianana.
Efa niatrika fifidianana filoham-pirenena fiodinana voalohany tao anatin’ny filaminana ry zareo, saingy na izany aza dia tsy nanao ho ambanin-javatra ny fanomanana izay miantoka ny maha-mangarahara ny fifidianana. Raha ny eto amintsika indray no resahana dia azo ambara fa mifanohitra tanteraka amin’ny tranga any Cote d’Ivoire, satria sady tsy mbola manana traikefa amin’ny fikarakarana fifidianana ny CENI no mbola tsy misalasala fa manaiky ny tetiandro napetraky ny fitondrana tetezamita na dia efa hita izao aza fa hiteraka olana ilay izy, ary efa nitranga mihitsy moa izany tamin’ny fahitana ireo bileta tokana efa voamarika « Eny » tany Moramanga izay mbola ifandroritana ny momba azy. Tsy hoe tsy fahatokisana be fahatany ny ekipan’Atoa Hery Rakotomanana sanatria, fa mba tsy aritra ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena ary mba fantatra ihany koa ny zava-mitranga any Afrika izay tsy mifanalavitra amin’ny tranga eto Madagasikara . Efa nandalo fanonganam-panjakana i Côte d’Ivoire, nisy ny fandrobana sy ny ady tany ; niditra tany ny mpampandry tany vahiny, nisy ny fifanarahana nosoniavina tany Marcoussis Frantsa, natsangana ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena , natsangana ihany koa ireo karazan-drafitra ilain’ny tetezamita, ary nokarohana ny hevitra rehetra ahatanteraka sy ahatomombana ny fiaraha-mitantana.
Tamin’ny 2005 no voatondro voalohany fa hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena, ary nahemotra in’enina io daty io, dia izao taona 2010 izao vao tanteraka ary tsy nisy mihitsy ny savorovoro na gidragidra ary nanaiky ny voka-pifidianana avokoa ireo kandida rehetra nifaninana, ary nisy aza ny hampitambatra ny heriny amin’ny fiatrehana ny fiodinana faharoa. Tsy midika kosa anefa izany fa tsy maintsy hiandry an-taonany maro isika vao hanao fifidianana, saingy manaporofo fa aoriana krizy politika sy krizy ara-tsosialy dia tsy misy fifidianana tomombana izany mihitsy raha mbola tetezamitan’ankolafy tokana, nandray anjara mivantana tamin’ny fambolena ny krizy no manao izay tiany eto ; tsy tokony hahagaga ny fisian’ny savorovoro raha manao be loha sy tsy mamela ny hafa hanehony heviny ny mpitondra satria tsy maintsy mitroatra ny olona rehefa tena tafahoatra loatra ny famoretana azy. Mora ny mandrodana fa sarotra ny manangana ary tsy vita izany raha tsy ifanampiana, ary tsy mamaha ny olana rehetra akory ny fizarana vola sy fanomezana etsy sy eroa .., mba mahaiza maka lesona ihany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.