Edito

Mahaiza ary mifidy e!


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Raikitra izany ity fampielezan-kevitra! Samy manana ny fomba hoentiny manantanteraka izany ny kandida isanisany, ary hanao izay faharaheriny handresen-dahatra ny mpifidy.

 

 Raha tarafina ny zava-misy, dia tonga amin’ny fitenin’ny vazaha izy ity hoe: mety avokoa izay fomba rehetra na “Tout les moyens sont bons”. Mahalasa saina sy mampametra-panontaniana kosa ny fihetsika sy ny tetikady sasany fa toa lasa bizina anie ity firotsahan-kofidiana ity e! Amina miliara maro ny an’ny sasany ny tetibola holaniana amin’io, hany ka na ny tetibolan’ireo kandida sasany sokajiana ho tsy natanjaka farany teo aza resy. Tena fitiavan-tanindrazana ve no nandrisika an’ireny kandida sasany ireny sa dia fitiavam-pahefana diso tafahoatra, ka rehefa tonga dia handeha hangoron-karena amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefana sy ny zo tsy azo henjehina? Miverina hatrany ny fanontaniantsiaka hoe: sao ho lasa antenimieran-jiolahy ary etsy Tsimbazaza? Samy hanao ny faraheriny satria ny antokon’ny fitondrana, ohatra, amin’izao dia tena matahotra mafy ny tsy hahazo ny maro an’isa, hany ka iny niketrika lalan-kivoahana nialoha tamin’ny fikotrehana fitsapankevi-bahoaka amboletra iny saingy nitsefotra. Mazava fa tsy maintsy hitady lalan-kafa satria tsy ho marin-toerana ny fitondrana raha tsy hahazo maro an’isa eo izy ireo. Olona afaka mipetraka ho arofanina, hibaiko fitondrana, hamotsipotsitra ny tsy mety, hiady ho an’ny vahoaka, hanao lalàna hanasoavana ny tanindrazana anefa no mila apetraka eo. Lojika izany fa mila fifandanjan-kery amin’ny mpanatanteraka ny eny Tsimbazaza fa tsy ho olona mpidokadoka fitondrana sy governemanta. Raha tsy olona tena hiady ho an’ny Malagasy no ho eo, dia mazava ho azy fa tsy hisy mpamerin-doha izany eto, fa dia samy hanao izay danin’ny kibony avokoa. Anjaran’ny vahoaka no misaintsaina ny tokony hataony!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT