Edito

Mahafinaritra vao ny mahasoa…


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Mivoy ny politikan’ny fitsitsiana ny fitondram-panjakana Rajoelina, kanefa toa resaka ambony latabatra ihany.

 

 

 Nifanesy ny dia tany ivelany, izay matetika olona 30 hatramin’ny 40 no miara-dia amin’ny filoha, izay hamoahana volam-panjakana. Nitondra inona ho an’ny firenena ? Rariny ary mahafinaritra ny fitondrana ny Zaza Kanto sy fiantohana olona an-jatony maro tany Egipta nanohana ny Barean’i Madagasikara. Mbola notohizana tany Maorisy anefa, izay handaniana 15 tapitrisa ariary any ho any isaky ny ankizy. Raha natokana ho amin’ny zavatra tsara kokoa hanasoavana ireo ankizy ny volabe lany aminy ao anatin’ny andro vitsy mety hiova tanteraka ny fiainany manontolo aoriana. Tsara ilay mizara sakafo iray andro atao amin’ny mpatory an-dalana miaraka amin’ny mpaka sary hanehoana sy hakana doka fa mitsinjo ny madinika. Mety hahafaha-manao tetikasa tsaratsara kokoa ho azy ireny anefa ny volabe tsy toko tsy forohana toa lany amin’ny rendrarendra. Mitady hiverina ny resaka fiara tsy mataho-dalana ho an’ny solombavambahoaka, ary efa tena sahy mijoro ny sasany hitaky izany. Tsy ny fireharehana fa notsidihin’ny Filoha Rwandais Paul Kagame no zava-dehibe fa mba mila mahay maka lesona e! Politika isan’ny nampihariny nanomboka ny 2005, ohatra, ny “Zero Freet Policy” na “politique Zéro Véhicule”. Namidin’ny governemanta ny fiara 4 000 nampiasain’ny fonksionera, izay vesatra be ho an’ny fanjakana kanefa ahafahana manao tetikasa lehibe tena mipaka amin’ny fiainam-bahoaka. Azo atao ary efa maro ny manolo-kevitra eto amintsika fa ny fiara “Karenjy” vokarina eto no homena ireo depiote raha hanome ihany, izay tosika ho an’ny Orinasa Malagasy. Mila fahatongavan-tsaina faobe!

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT