Edito

Mahafaty antoka ve ny mandamina ?


  • Talata 17 Mey 2022

Ny taona 2018 – 2019 ny vondrona eoropeanina tamin’ny alalan’ny iraka manokana nalefany teto no efa nanamarika fa misy zavatra mila amboarina sy ahitsy ary hatsaraina amin’ny fomba fitantanana sy fikarakarana ny fifidianana eto.

Dia io ry zareo manaitra io indray; tsy hoe ny eoropeanina irery no nahatsappa sy mahatsapa izany fan a ireo herivellona sy mpisehatra politika eto an-toerana ihany koa aza.Firifiry ny fangatahana natao mialohan’iny fifidianana filoham-pirenena 2018 iny, saingy niroso ihany moa ny dia ho an’ny CENI.Efa tafapetraka ilay filoha sy ny governemanta vao nivoaka ny resaka hoe tena nisy ny “doublon”, izay zavatra efa nambaran’ny ekipan-dRavalomanana Marc (K25) tamin’izany fotoana.Tsy maintsy hiatrika fifidianana i Madagasikara ny taona 2023 satria mifarana ny 19 janoary 2024 nny fotoam-piasan’ny Filoha amin’izao fotoana. Asa na mba mahay mandray lesona ny mpitantana amin’izao fotoana na mbola hanohy ny politikan’ny be marenina sy be tsy mahita ary ny tsy te hiasa saina ihany; tsy aleo ve alamina dieny izao.Mahafaty antoka ve ny miresaka sy mandrafitra zavatra mba hisorohana amin’izay ity savorovoro isaky ny fifidianana ity.Misy ny vahaolana, fa mety ilay fahavononana hikaroka azy no tsy ao.Hiandry sintona lakolosy avy any ivelany fooana ve vao hanao zavatra fa tsy afaka ny hifampihaino ny samy Malagasy eto ? Asa aloha raaha efa tonga saina na miandry izay fidonany fotsiny, fa rehefa tsy misy ny vahaolana matotra raisina dia miverimmberina eto foana ny tantara e.
RTT
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT