Tehaka nirefodrefotra no nasetrin’ny mpiara-miasa amina minisitra iray nandritry ny fifampiarahaban’izy ireo nahatratra ny taona ny faran’ny herinandro teo rehefa avy nilaza ho mahafantatra ny hetahetan’ireo mpiara-miasa aminy ingahy minisitra.
Nampiseho endrika tsy kivy ihany koa anefa ireo mpiara-miasa na dia nandre aza avy eo fa mbola miandry kely aloha ny famaliana ireo hetaheta. Tsy ity minisitra ity irery akory no mpitondra teto amin’ny firenentsika efa nanao fanambarana tahaka izany fa efa fomba noheverina ho tsy nahitana izay naharatsy azy nolovaina tamin’ireo zokibe hatrany aloha angamba izy io. Samy efa nilaza ho nahafantatra ny hetahetam-bahoaka avokoa izay rehetra nandalo saingy efa an-taonany maro izao no tsy mandina ny tendany. Soa fa hendry sy mbola manaiky lembenana izy ka dia miharitra ny fampanantenana lavareny sy ny asa lazaina fa fampandrosoana kanefa tsy mifanandrify marina amin’izay filany akory.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.