Edito

Maha te hanao fahagagana !


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Raha azo natao ny niteny fotsiny hoe « foa foa milamina » dia efa afaka mampilamina ny zava-drehetra eto amin’ny firenena dia natao. Maha te hanao fahagagana ny toe-draharaha iainantsika ankehitriny.

Hatreto dia samy milaza daholo izay afaka miteny fa efa aina ity, hoy Rainimanonja ka dia manentana hiaraka hifanome tanana ee ! Tsy fantatra anefa ny tena tanjony. Tonga amin’ilay nambaran’ny mpanao politika iray izay hoe miresaka fanorenana ifotony kanefa na ilay fanorenana ifotony kasaina hapetraka aza tsy fantatra ny fihodiny. Na ireo firenen-dehibe aza iaraha-mahalala fa an-jatony taona vao nahavita nametraka fanorenana ifotony tany amin’ny fireneny avy. Ny eto amintsika anefa milaza fa vita mialoha ny fifidianana io … An-kilan’izay, miha mampivarahontsana ny trangam-piarahamonina eto amintsika. Nirongatra tato anatin’ny 4 taona ny fitsaram-bahoaka ary tsy nisy izay tsy nampiasa hery na olon-tsotra na manampahefana, ohatra  ny tany Antsakabary. Efa tsitohinina intsony ny olona ary tsy mihafihafy amin’ny herisetra ihany koa toy izay nitranga tany Betafo farany teo. Mbola tokony hanao atrikasa ihany ve vao afaka hamaha izany rehetra izany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT