hoy ny mpanao politika iray izay raha nanazava ny antony lasa nampalaina
ny tenany haneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenena eto Madagasikara tato ho ato. Iza tokoa ary izany ireo hita ho tsy hendry intsony eto amin’ity firenena ity, mba tsy ilazàna hoe olo-maditra lasa mahatonga izany fahalainana izany ho an’ny mpanao politika sasany ankehitriny? Maha sadaikatra na dia ny miheritreritra izany fotsiny aza! Iza moa no tokony hiandrasana fahendrena voalohany eto amin’ity firenena ity ankoatran’ny mpitondra, raha politika no resahina? Politika amin’ny maha fitantanana fiarahamonina na firenena eto no resaka fa tsy ilay mahazatra aty amin’ny tany tsy mety mandroso dia ny antsoina mahazatra hoe ady seza. Zary rehefa tsy mampiahiahy ankehitriny ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia mampitaintaina na koa hoe tsy mampandrifahalemana ny olompirenena intsony. Efa ho herinandro izao no nampivarahontsana ny fisian’ny antsoina hoe fanampoizinana ara-tsakafo na «empoisonnement alimentaire» tetsy Ambohimalaza. Io nifanandrify taminy io ihany koa ny tranga tao Mahajanga. Niaraha-nahita ny ahiahin’ny mponina vokatr’izany na dia hisakafo tany anatina lanonana aza. Ny efa avy nihinana moa izany lasa nitaintaina. Na ny misakafo na ny tsy misakafo izany izao lasa samy mety mahafaty, hoy ireo fanehoan-kevitra zary lasa fampihorohoroan-tsaina ataon’ny eny amin’ny tambazotran-tserasera ihany koa. Ny eny amin’ny antenimieram-pirenena moa izao mbola ny toaka gasy aloha no maha seriny azy. Hatraiza izany manoloana ity toe-draharaha nalaza ity ny andraikitra noraisin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna? Naninona no omaly vao nivaly ny fitiliana nefa tsy ny valin’izany ve moa no tokony nahafantarana haingana ny fitsaboana azo natao tamin’ireo narary? Maty ihany ny maty nefa efa mamono koa ny tsy fandriampahalemana heno mitranga isan’andro isam-paritra. Toy izany koa ny tsy fisian’asa na fahapoteham-pihariana maro vokatr’ity olan’ny herinaratra manerana an’i Madagasikara ity. Ny vidim-piainana tsy mitsaha-midangana, ny karama nefa efa maherin’ny 5 taona ny ankamaroany no tsy nahitàna fiakarana. Maha sadaikatra!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.