Edito

Maha kely finoana


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

“Paikady Natao Dinasa” indray no fomba fiantso ilay PND na Fandaharan’asa Nasionalin’ny Fampandrosoana ankehitriny.

 

 


        Re tamin’ny kabarin’ingahy praiminisitra teny amin’ny CCI Ivato koa omaly ny hoe : PARITRA, araka ny hita ao amin’ny rakibolana malagasy nosoratan’itompokolahy Régis Rajemisa Raolison izay midika hoe : «fizarazaran’ny feo amin’ny hira : feo voalohany, feo faharoa». Nentina nanaovana kisarisary ny fiaraha-mientana amin’ny asa tsy maintsy atao eto amin’ny firenena izy io satria mila Miasa, Miasa ary Miasa isika izao, hoy ny praiminisitra. Dia tahaka ny fampianarana malagasy mihitsy ny kabary, mirafitra tsara ny fehezanteny, hafa kely ireo voambolana nampiasaina tamin’ity kabary ity. Fa mba manao ahoana kosa ary ny asa e ? Efa misimisy ihany mantsy izay kabary natao teto izay fa toa miha milentika anaty lavaka hatrany ny firenena, asa hoe rahoviana ihany vao tena hisy hetsika sy asa mivaingana ataon’ny fitondram-panjakana. Ny tena mampanahy izao dia hitobaka indray ny vola mandritra ny propagandy ka samy ho variana na ny mizara na ny mpandray. Tafapetraka amin’ny toerany ireo ben’ny tanàna avy eo vao ho avy indray ny adihevitra be, hiitatra ho fitakiana na fitokonana dia hiafara amin’ny hoe esory ny ben’ny tanàna Rabe na Rakoto. Tsy milamina ny eto an-tanàna ary maha kely finoana ny hahatanteraka ity PND an-dRajao sy Ravelo ity, hoy ny be vazivazy !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT