Edito

Maha be loha


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Nivahiny tamina fandaharana ara-kolontsaina ny mpanakanto malaza iray indray andro.


 Nanontany azy ny mpanao gazety hoe inona no antony amehazanao ny lohanao amin’iny lamba iny ? Tsy taitra ranamana namaly hoe “ny fiainana amin’izao maha be loha be ka dia aleoko ny lohako fehezina amin’ity sao ho vaky no hiafarany”. Ny hiafarantsika mianakavy tokoa dia ho vaky loha an-toerana eto ary efa be mihitsy moa izao no efa lasa adala noho ny tsy fahatatesana intsony ireo sedram-piainana samihafa ateraky ny fahantrana eto amin’ny firenena. Mipoitra daholo ity karazan’olona miseho azy ho mpanavotra ny fiarahamonina ity nefa tsy mahovoka akory. Ireo nilaza azy ho mpampihavana toa lasa nandefitra, ireo Raiamandreny nisora-tena ho nijoro toa mikoro an-toerana. Amin’izao indray dia mpiaro ny zon’ny mpanjifa no ifandrombahana dia milaza azy ho babany daholo izay mipoitra. Fanina tanteraka ilay Gasy kely efa miraviravy tanana sy efa mila ho safotry ny fahantrana tanteraka. Ireo mpilalao politika ao anatin’izany mbola manao izay hahabe loha azy ireo hatrany.

Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT