Edito

Mafy ny te ho filoha sy hahazo seza !


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Miisa 46 ireo nandrotsaka ny antontan-taratasy ho kandida filoham-pirenena. Mazava ho azy fa ny iray amin’ireo izany no ho filoha hitantana an’i Madagasikara afaka volana maromaro, raha tena raikitra sy tsy misy sakana ny fifidianana.

 

 

 Raha raisina amin’ny heviny miabo, dia tena ady sisika izany ny finiavana hanasoa ity tanindrazantsika ity, ka maro no miady mafy ho lohany hahafa-mandray andraikitra bebe kokoa. Samy manana ny tetikasany sy ny vinany ary ny programany ireo kandida, ary tsy misy ratsy fa mifameno ireo. Raha amin’ny lafiny iray indray dia mety maherihery angamba ny fiteny raha hilaza, fa toy ny kilalaon-jaza ny firotsahan-kofidiana, ka toa manao daholo izao bodo sy adala izao. Tsy mahay mifandamina sy mifandrindra fa samy mba te ho lohany avokoa e! Misy ny tena manam-bola tsy toko tsy forohana, ary ao ny mandany mandany harena mihitsy. Raha tena hanasoa ny firenena tokoa, maninona sy nahoana no tsy tonga dia manao izany mivantana eny anivon’ny fiarahamonina, dia atao fifaninana masina e? Ny fahefana aloha izao no tena mahamaika, ka toa vitsy no mba afaka hanasoa mivantana ny firenena ivelan’ny fananana fahefana raha tarafina amin’ity firotsahan-kofidiana ity. Mariky ny demokrasia ihany koa anefa io, ka tsy hifanomezan-tsiny e! Ho avy ny propagandy atsy ho atsy, ka asa lahy raha mba hiova fisaina sy fijery amin’izay Ramalagasy ka tsy ho sodokan’ny andrika ivelany sy ny ronono an-tavy na ny fizaram-bola na zavatra tsy mahavita taona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT