Edito

Mafy lamosina !


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Tantara tsy mety vita ny resaka trafikana andramena na bois de rose, fa na dia efa misy aza ireo voatsara nisy migadra dia maro ihany no mbola sahy manapaka sy mitatitra ary manondrana ity hazo sarobidy saika manerana nosy mihitsy amin’izao fotoana izao.

 Maro ireo anarana mpandraharaha sy mpanao politika ary manampahefana amin’izao fotoana voatonontonona amin’ity raharaha boaderôzy ity saingy tsy misy sahy milaza ny tena marina ny rehetra, eny fa na dia ny panao fanadihadiana aza dia sahirana ihany satria maro be no lava tanana. Ilay raharaha farany tany Maorisy nahatratrarana kaontenera 6 teo izao dia nandrenesana tsiliantsofina maro nilaza sy nanamafy fa mpandraharaha manana ny maha izy azy no ao ambadik’io, ary fantatr’ireo mpiasan’ny fadintseranana izany. Rehefa nandeha anefa ny famotorana dia olon-kafa indray no voasazy, koa izay no fantatra fa tena nahatezitra ny mpiasan’ny fadintseranana ka nahatonga azy ireo hitokona. Efa maro anefa ireo mahafantatra ny zavatra tsy mazava ataon’io mpandraharaha io ka mahatonga ny resaka mandeha fa tsy maintsy havoaka avokoa izany mba hahafantaran’ny rehetra fa misy atidoha mikotrika ireo afera maizina eto, anisan’izany ny resaka boaderôzy fa tsy hoe taitaitra teo ny olona iray dia nandeha tany anaty ala hikapa boaderôzy dia hanofa fiara hitatitra izany dia sahy handefa izany eny amin’ny seranan-tsambo.

Efa tambajotra henjana ahitana olona manam-pahefana afaka mibaiko sy manindry bokotra ireo karazana sampandraharaha mpanara-maso eto amintsika no ao ambadik’ity afera ity fa tsy hoe mpandraharaha tsotsotra mba te hahazo vola fotsiny. Matoa misy ny ao amin’ny ladoany ka mahatonga ireo entana tafaporitsaka ny sisintany dia misy ny olona manam-bola afaka mizara vola etsy sy eroa fa tsy vola nilatsaka avy any an-danitra akory ireny. Efa tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 no nilokaloka ny fitondrana tetezamita tamin’ny alalan’ny filohany fa avoaka ho fanta-bahoaka ny anaran’ireo rehetra amin’ity raharaha boaderôzy ity, na iza izy na iza, izay mihitsy no tenin’i Andry Rajoelina tany Mahajanga. Efa misasaka ihany anefa ity ny taona 2011 fa tsy hita izay tena marina. Tompona fiara sy mpibata entana ary mpiasan’ny fadintseranana sy transitaire foana no samborina sy gadraina, fa iza izany no tompon’ny entana ? Manantena ny rehetra fa ho hentitra ny mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana amin’ity indray mitoraka ity ka tena ho sahy hamoaka anarana amin’izay fa tsy hanaiky atao fitaovana hiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy fotsiny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT