Mitohy ny fampidirana am-ponja. Tsy mifidy io na mpanao politika na miaramila na mpitondra fivavahana na mpanao gazety, mainka moa fa olon-tsotra. Tsy hitsahatra izany raha ny feo miainga avy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Ny raharaha anatin’izy ireo aloha no mahaseriny azy, dia ho avy ny hazalambo ireo mpanao politika ary hitatra amin’ny mpitondra fivavahana. Ny praiminisitra, tsiahivina ihany, dia nilaza ampahibemaso fa izy mihitsy no handray andraikitra, raha mbola misy ny manao fihetsiketsehana. Nanamafy izany ny fanambaran’ireo mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sasantsasany manameloka mafy ny mpanohitra azy. Etsy an-danin’izay anefa dia milaza ny tsy hihemotra fa hanohy hatrany ny hetsika ataony ny ankolafy telo mandra-panjakan’ny fahamarinana sy ny ara-dalàna eto Madagasikara.
Etsy an-kilany indray dia nanao fanambarana ary nilaza fa hijoro hatramin’ny farany, na eo aza ny antsojay atao azy, ny Fiangonana FJKM, izay tena lasibatra tamin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Hivory ao amin’ny Tabita Ampandrana ny mpitandrina FJKM anio, handinika indrindra ny amin’izany. Nialohavana fanambarana sy fitondrana am-bavaka ny fiangonana sy ny olona niharan’ny antsojay izany. Mafanafana ny raharaha ankehitriny. Inona no hitranga ? Hatramin’ireo firenen-dehihe, amin’ny alalan’ireo masoivohon’izy ireo avy miasa eto Madagasikara, aza manahy be ihany izay havoakan’ny ampitso. Na izany aza dia misy ireo tsy mikely soroka, miezaka ny hampifanatona ny roa tonta hamerenana ny fifampiresahana hikatsahana vahaolana iraisana. Mandra-pahoviana izany ? Miankina amin’ny finiavana politika, ny fametrahana ambony ny tombontsoam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.