Edito

Mafanafana


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Vao miandoha dia hafana ity herinandro voalohan’ny volana jolay ity taorian’ny fankalazana ny faha-52 taona nitsingeran’ny fahaleovantenam-pirenena.

Hanao fanambarana ny mpiasam-panjakana anio, taorian’ny «conclave» roa andro nataony ny faran’ny herinandro teo. Ireo mpampianatra mpikaroka moa dia efa nanenjana fa dia hampiato ny fampianarany izy ireo manoloana ny fanaovan’ny fanjakana be marenina amin’ny fitakian’izy ireo. Vao mainka nampisavorovoro ny ray aman-dreny koa etsy ankilany ny fanemorana ny datim-panadinana noraisin’ny ministeran’ny fampianarana ny zoma teo. Eo amin’ny lafiny politika dia hiverina an-dapa ireo Parlemanteran’ny tetezamita, hivory tsy ara-potoana handinika ny lalàna mifehy ny fifidianana filoham-pirenena voalohany amin’ny Repoblika fahefatra sy depiote. Mbola ho fivoriana mandeha ila indray koa anefa no hiseho eny Anosikely sy Tsimbazaza satria nanamafy ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy hivory raha tsy mazava ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina. Mandritra izany dia hivoaka kianja ka hanao rodobe eny amin’ny birao fifandraisan’ny SADC eny Ankorondrano ny zanak’i Dada amin’ity anio ity, hitaky ny hanatanterahana amin’izay ny fihaonan-dRavalomanana sy Andry Rajoelina ary eto Madagasikara izany. Mafanafana araka izany ny tanàna !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT