Edito

Mafana ny ringa politika


  • Talata 03 Mey 2022

Ankatoky ny fifidianana tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Sarotra ny fandidiana, ary efa tena miezaka maneho ny heriny ara-politika ireo sokajiana ho hery lehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Ho henjana ny fifanandrinana satria tena samy haneho fa mbola vonona hifampitady eny ambony ringan’ny fifidianana. Na tiana na tsy tiana, midina ny herijikan’ny Fanjakana am-perin’asa eo anatrehan’ny fijotsoan’ny firenena. Efa lesona lehibe ho an’ny Malagasy izay 7 taona nitondrany izay. Tsy finiavana hitsikera sy hanakiana, fa isaky ny mandray fitondrana ny Filoha ankehitriny, lasa mivarina an-kady any anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana hatrany i Madagasikara. Sarotra foana ny miandry izay mandimby azy eo amin’ny fitantanana firenena satria mbola manentsina lavaka aloha. Ara-toekerana, politika, sosialy, diplaomasia,… tena tsy voafehin’ny fitondrana, fa toa tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika, araka ilay fomba fiteny. Tsy velon-kantenaina kanefa tsy maty hafoy,… Na tiana na tsy tiana anefa, azy ny fahefana ankehitriny, ananany ny vola, eo am-pelantanany ny basy aman-tafondro,… Tena maharo sy ahafahana mifikitra amin’io fahefana io ve izany? Raha tarafina amin’izay fito taona izay, hita taratra ny tsy fahazakana firenena, vina sy programa misavoamboana, fampanantenana sy fampandriana adrisa lava izao,… Lasa teboka miabo sy mampiakatra ny lentan’ny mpifanandrina izany. Vao nahazo fahefana tamin’ny 2018 dia efa tsy marin-toerana ny Fitondrana ankehitriny, kanefa vao mainka miharatsy toerana. Tsy hamotsotra mora an’io fotsiny ka asa hoe: hanao ahoana ny fiafaran’ity baolina politika ity ? Io miatrika olana goavana ara-tsosialy sy toekarena io isika. Raha tena nazava ny programam-piarenana momba ny krizy, mety nilamindamina kokoa noho izao, saingy fitantanana tsy mangarahara, ahiahina kolikoly goavana,… no tena nisongadina.
Toky.R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT