Edito

Mafana !


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Hitrangan-javatra maro indray raha ny fahitana ity herinandro vaovao ity.

 Eo aloha ny hetsika momba ny fampianarana. Raha tsy mbola milamina ny eny amin’ny oniversite, dia mety hitokona ihany koa ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa. Mahatsiaro ho natao ankilabao sy tsy noraharahaina mantsy izy ireo, ka tsy hanaiky hangina sy horahonana intsony fa hijoro hiaro ny tombotsoany sy ny hasin’ny fampianarana. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy kosa dia mbola mampitaintaina ny maro ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika. Azo antoka fa hiteraka fiakaran’ny saran-dalana sy ny vidim-piainana haingana dia haingana izany. Zava-doza ho an’ny vahoaka ity resaka ity. Ao anatin’ny fahasahiranana ve no hiakatra ny saran-dalana sy ny vidim-piainana ? Ireo mpandraharaha amin’ny resaka solika anefa dia milaza koa fa manomboka matiantoka izy ireo ka tsy afaka ny handefitra manana ny rariny intsony, iaraha-mahita rahateo fa miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Raha politika indray no resahana dia andrasana aloha ny hetsika hataon’ny biraom-pifandraisan’ny SADC amin’ny fihaonana indray amin’ireo ankolafy politika, indrindra fa izay nanasonia ny tondrozotra. Ny 29 febroary amin’ny alakamisy ho avy izao, ny mpanohitra dia efa nilaza fa tsy te hahalala afa-tsy io daty io mba hametrahana sy hampiharana ny fepetra rehetra momba ny fitoniana, dia ny famotsoran-keloka, ny famoahana ny gadra politika ary ny famelàna ireo sesitany hiverina an-kalalahana eto Madagasikara. Fantatra fa hisy ny hetsika lehibe hotanterahana eny amin’ny villa Elizabeth Ivandry amin’io alarobia 29 febroary io, ka ao izany no tena hahafantarana ny hevitry ny mpanohitra.

Mifanindran-dalana amin’izay ihany dia manantena mafy ireo zanak’i Dada fa hody an-tanindrazana amin’ny sabotsy 3 martsa ho avy izao Atoa Marc Ravalomanana, raha ny tena izy, aza dia mialoha ny 29 febroary izy no tokony efa ho tonga saingy ny fotoam-bita moa tsy mahaleo ny sampona. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fanambarana ofisialy ny amin’izany mety ho fahatongavan’i Dada amin’ny sabotsy ho avy izao ihany. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny vaovao ato anatin’ny andro vitsivitsy. Etsy ankilan’izay dia hazakazaka arahin-tosika ny fananganana ny CENI fa maika hanao fifidianana, hono, ary na tsy feno aza ny mpikambana dia azo atomboka avy hatrany ny asa ! Hafampana indray izany ny herinandro ary mety ahitana zavatra tsy ampoizina na « surprise » maro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT