Edito

Mafana


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Vita iny ny fitsenana. Tombanana ho eo amin’ny 3 volana eo raha farany tsy afaka angamba, hoy ny fitenin’ny tanora izay,

dia mbola ho Barea foana no ho hetsiketsika hezahana indray ampisongadinana izao fitondrana izao. Izay moa ilay hoe ny werawera tsy maintsy mandeha. Mbola mafana ny toe-draharaha. Mafana ny fientanam-pon’ny malagasy tsy vaky volo satria nasandratr’ireo boay kelintsika ny voninahim-pirenena. Vitsy, mba tsy hilazana hoe tsy mbola nisy angamba, izany ekipam-pirenena sambany mandray anjara voalohany amina fifaninanana iraisampirenena goavana tahaka ireny CHAN farany teo ireny ka hoe hahita laharana fahatelo sahady. Mafana iny ary inoana fa mbola hafana. Mafana ihany koa anefa etsy ankilan’izay ny toe-draharaham-pirenena. Eo ihany ny hoe akatoky ny fifidianana isika izao fa ny fiainam-bahoaka koa dia iaraha-mahalala fa miha mafana ankehitriny. Efa saiky misy mpitanisa isan’andro moa ny kaikaika manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahasahiranana samihafa. Na ny saram-pitsidihana trano fivoahana aza ankehitriny misy efa mampiakatra. Miverina heno indray any amin’ny faritra sasany any atsimotsimo any, tahaka ny tany Esiry, ohatra, ny fifamonoan’ny samy malagasy. Efa tsy krizy intsony izany fa krizy mipoaka matoa efa tonga amin’ny fifanaovana herisetra na fifampikasihan-tanana toy izay. Ireny moa ilay antsoin’ny siantifika mpikaroka momba ny otrikady na “conflit” hoe ady atsanga na “conflit déclaré” ary iaraha-mahalala fa tsy any irery intsony izao no ahenoana trangana samy malagasy mifanao toy izany satria samy malagasy daholo fotsiny koa, ohatra, ny dahalo sy zandary. Izany toe-draharaha miha mafana rehetra izany, araka izany, no isan’ny mbola mila vahana eto mialohan’ny fifidianana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT