Mifandimby sy mifanesy ny fivoriana ataon’ny ankolafy Ravalomanana hatry ny omaly, ho amin’ny fanomanana ilay fihaonambe amin’ny vahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso sabotsy.
Hatry ny omaly ihany koa dia vonona ireo zanak’i Dada amin’ity fihaonambe ity. Mazava mantsy ny resaka eto fa ankoatra ny fanaovana tatitra ny amin’ny fampiharana ny tondrozotra sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny hataon’ireo parlemantera avy amin’ity ankolafy ity dia fotoana iray hampisehoan’izy ireo ny heriny ihany koa no anton’ity hetsika ity ary hanaporofoana amin’ny rehetra fa tena mbola mahazaka olona izany ankolafy Ravalomanana izany. Mandalo eto amintsika koa moa amin’izao fotoana izao ireo iraky ny Firenena Mikambana, ka mety anisan’ny antony iray hanatanterahana ny hetsika ihany koa izy io mba hampisehoana ny sehatra iraisam-pirenena, fa mbola misy zavatra tsy milamina eto.
Amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io no hanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta amin’ity taona ity, ary asa miandry ireo olom-boatendry amin’izany ny volavolan-dalàna momba ny fananganana ilay CFM na Komitin’ny fampihavanana malagasy. Tsy tongatonga ho azy, araka izany, ny daty nosafidin’ny ankolafy Ravalomanana hanaovana ny hetsika, satria io sabotsy io no hany andro sisa malalaka ho an’ireo Parlemantera hihaonan’izy ireo mivantana amin’ny vahoaka, eto Antananarivo sy ny manodidina. Mialoha izao moa dia efa samy nitety ny faritra misy azy avy izy ireo.
Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra moa izay ho fisehon’ity hetsika amin’ny sabotsy ity satria miankina amin’io, indray ny ho tohin’ny raharaham-pirenena. Raha ho eny Ambohijatovo, ao amin’ny Kianjan’ny demokrasia, dia mety tafiditra ao ve ny zanak’i Dada, sa hifanjevo amin’ny mpitandro ny filaminana eo ? Sa ve eny amin’ny Magro ihany no hanaovana ny hetsika sa any amina toeran-kafa malalaka kokoa ? Ny resaka toerana eo ihany, fa ny tena mahaliana ny olona dia izay hambaran’ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Hijanona amin’ny fanaovana tatitra sy fitsikerana ny zavatra tsy mety ataon’ny fitondrana tetezamita fotsiny ve izyireo sa handroso vahaolana sy hanao fanambarana goavana ? Farany teo mantsy dia nilaza ny ho tsy afa-po tamin’ilay taratasy navoaky ny SADC ity ankolafy ity, ary tsy afa-po ihany koa tamin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta momba ny fampiharana manontolo ny tondrozotra. Ka inona izany no mety ho tohiny ? Hijanona ao anaty rafitra tetezamita ihany ve ireo olon-dRavalomanana sa hiala tanteraka amin’izay dia miandry ilay fihaonana an-tampony na izay dinika hafa atao handaminana ny krizy ? Mafana indray, araka izany, ny faran’ny herinandro ary tena hanankarem-baovao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.