Edito

Madagasikara : ovaina ho fanaovam-pety manara-penitra?


  • Talata 25 Jolay 2023

Satria ve ianareo avy amin’ny tontolon’ny fikarakarana sy fanaovana fety dia tianareo avadika tahaka izany koa ny firenentsika?

Tsy sanatria manaratsy an’izay kely vitanareo izahay fa na izany aza mba mampatsiahy fotsiny ihany hoe misy laharam-pahamehana noho ny fety kosa angamba eto amin’ny firenena. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny famokarana sy ny famoronana asa iska. Aiza ho aiza izany ankehitriny? Nodianareo fanina fotsiny ny fanontaniana napetraka tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha? Satria ny tena marina dia tsy maniry ny Malagasy ho tafita ianareo fa maniry azy ireo hanao fety anaty fahantrana? Afomanga, seho sy kanto, fampideraderana bika aman’endrika, izany avokoa no heverinareo fa maha metimety ny firenena. Tsy hainareo ve fa firenena mamokatra ary manana harena voa-janahary maro anie ity Madagasikarantsika ity e ? Aoka hazava fa anisan’ny olombelona mba manana ny maha izy azy ihany koa isika Malagasy amin’ny fahaiza-manao, na saina izany na tanana. Nahoana ny zanakareo no andanianareo vola aman-karena alefa mianatra any am-pita fa ny zanakay fitahinareo amin’ny rendrarendra tahaka izao? Raha tena tia ny firenena tokoa ianareo dia mba omeo soa sy fanabeazana tsara tahaka ny taranakareo ny taranaky ny Malagasy tsy an-kanavaka.

Tahina RAZAFINJOELINA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT