Tato anatin’ny herintaona izay dia saika niteraka lozam-pifamoivoizana hatrany ny fiaran’ny FAT. Hatramin’ireo ministra, ka hatramin’ireo miaramila, mandalo amin’ireny mpanolotsaina ireny, eny vao tsy ela fa vao tamin’ny faran’ny herinandro teo dia ny kortezin’i Andry Rajoelina mihitsy no nahafaty olona teo Antanimena. Ny ankamaroan’ireo lozam-pifamoivoizan’ny FAT ireo dia namoizana ain’olona avokoa, na naratra mafy. Tsiahivina ny nahafatesan’ny tale nasionalin’ny sekoly FJKM tetsy Analakely tamin’ny taon-dasa. Nodomin’ny fiaran’ny ministry ny jono, tamin’ny fotoanandrony. Ankoatra izay, ilay mpianatry ny Ceg Avaradoha nodomin’ny kortezin’ny praiministra FAT, Camille Vital ka nampidirina haingana teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana.
Ny volana mey lasa teo tany Sainte Marie, dia lehilahy iray no namoy ny ainy satria voadonan’ny fiarana zandary ka maty teo no ho eo, torak’izay koa ilay mpianatra tao Barikadimy izay nofaohin’ny moto-na kolonely. Vao tamin’ny alahady tolakandro lasa teo koa dia namono olona iray hafa indray koa ny kortezin’ny filohan’ny FAT ary ny ambiny dia mbola atahorana ny fahasalamany. Ireo aloha no hita sy tratra fa ny hafa tsy lazaina intsony, ankoatra ny fanivaivana sy ny fandrahonana satria hoe olona ambony na koa hoe manana mpiaro. Tsy re firy anefa ny sazin’ireo nahavanon-doza, ary raha re aza dia sazy tsy dia araka ny tokony ho izy loatra raha tsy hiteny afa-tsy ny zava-nitranga tamin’ny tale nasionalin’ny sekoly Fjkm. Raha ny lalàna eto amintsika anefa, dia fonja avy hatrany no miandry ilay mpamily raha nandona ka nahafaty olona izy na inona mety ho antony na inona mandrapahatongan’ny fitsarana. Sa rehefa lozan’iza vao mihatra ny lalàna ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.