Lozabe mampanahy amin’ny hoavy!

Tsy hisy marina izay tsy hiseho


  • Zoma 29 Novambra 2024

hoy ny voasoratra ao amin’ny Baiboly Kristianina izay.

Niainana nandritry ny taona maro teto amin’ny firenena izany. Niezaka nandiso ny fisian’ny zava-misy marina ireo mpitondra nifandimby hatramin’ny mpitondra ankehitriny fa ny fivoaran’ny tantaram-pirenena nefa avy eo dia ireny niarahan’ny vahoaka malagasy, indrindra, ny mpanara-baovao rehetra ireny nahita fa voamarina toy ny masoandro be lohataona ihany taty aoriana ny fisian’ireo tranga nambaran’ireo tomponandraikitra ambony samihafa fa vaovao tsy mari-pototra. Nisavoritaka indrindra ny tontolom-piarahamonina teto Madagasikara ny taona 2020, vanim-potoanan’ny valan’aretina COVID 19. Nandeha ny trangam-pahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjaka, izay mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao ny niafarany. Teo ny raharaha volamena 73,5kg, ny volamena 48kg mahery mbola gejain-drizareo kaomorianina ao, ilay nivadika vy fotsiny izao nefa ireo heverina fa bokony be eto amin’ity firenena ity toy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny praiminisitra mihitsy no nifandimby niambina azy tao. Nolazaina fa tsy hikatso ny teleferika fa miteniteny foana ireo milaza hoe hikatso kanjo io izy mikatso io tokoa. Aiza izao izay kianja Barea manara-penitra eo? Miandry indray izany isika izao ny hiafaran’ity trosabe mitotaly 293,5 miliara Ariary lazaina fa mahasoa sy ity hoe manam-bola ny fanjakàna na dia maneho ny mifanohitra amin’izany rehetra izany aza ireo tondro tazana rehetra. Raha mba zakain’ireo mpitondra samirery fotsiny moa ny vokatr’ireny heverina ho tsy fahaiza-mitantana rehetra ireny maninona fa ity izy zakain’ny firenena iraimanontolo ity no lozabe mampanahy amin’ny hoavy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT