Edito

Loza 'ty marina !


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Ela fidona ny mpitandro ny filaminana manoloana ny asan-jiolahy eto amintsika.

 Miha miverina indray mantsy ny fanafihana mitam-piadiana an-tanàn-dehibe sy ny fanakanana taksibrosy eny amin'ny lalam-pirenena. Ny dahalo moa dia io efa sahy mamono mpitandro ny filaminana sy miantsy ady amin'ny manampahefana io mihitsy. Ekena fa efa nisy ny fanambarana avy amin'ireo tompon'andraikitra avy amin'ny foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana, ary efa voalaza fa nisy miaramila nalefa any Befotaka, saingy mbola manjavozavo ny zavatra tena hatao. Na ny mpitandro ny filaminana aza tsy mbola manana ny vaovao ampy ny tamin'ny zava-nitranga marina ny sabotsy lasa teo tamin'ny fifandonana teo amin'ny dahalo an-jatony sy ireo zandary sy miaramila 32.

Efatra andro aty aoriana dia tsy mbola misy ny hetsika mivaingana hikarohana sy hisamborana ireo dahalo, na dia efa fantatra mazava aza ny toerana ieren'izy ireo. Manginy fotsiny ny fitaintainan'ny fianakavian'ireo mpitandro ny filaminana tsy hita popoka, tsy hay na maty na velona. Misy aza ny feo mandeha fa saika mbola nafenimpenina sy nampanginina ity tranga tany Befotaka ity, saingy haingana dia haingana moa ny fivoahan'ny vaovao ka tsy afa-nanoatra ny manampahefana fa tsy maintsy niresaka an'ilay izy ihany. Ampy izay fanambarana izay fa dia miandry ny fampiharana amin'izay ny olona ankehitriny.

Ho zava-doza raha efa ny dahalo no tsy matahotra zandary sy miaramila intsony, ary vao miha loza amin'atambo, raha ny mpitandro filaminana mihitsy no tsy sahy manatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany intsony. Ny manahirana ny sain'ny olona dia tena mailaka ery ny zandary sy polisy ary miaramila eo anivon'ny Emmo-Reg amin'ny fandravana ireo fihetsiketsehana politika sy fisamborana ireo olona maneho ny heviny. Rehefa hanenjika jiolahy sy dahalo anefa dia efatra andro, tsy hita ihany izay atao. Velona ny adihevitra tetsy sy teroa momba ity dahalo namono mpitandro ny filaminana ity, ary mbola sahy nanatitra ireo basy tany amin'ny kaominina indray avy eo. Dia ahoana tokoa moa izany raha manita-tsaina ny dahalo ka tsy mionona amin'ny halatra omby intsony fa tena hiakatra an-tanàn-dehibe, na koa hanao mersenera hanafika lapa sy hanongam-panjakana ? Tena loza 'ty marina !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT