Edito

Loza mihantona


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

« Ny ratsy atao loza mihantona, ny soa atao ilevenam-bola », hoy ny Ntaolo. “ Izay nafafy no hojijaina ary misy farany ny zava-drehetra”.

Na ny efa zatra ny lalan-dririnina aza, hono, tsy maintsy hisolifatra ihany. Lesona efa hita teto amin’ny firenena sy ny fiarahamonina Malagasy daholo izany rehetra izany saingy izay tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe “tanana zatra mitsotra ka tsy afaka ny hivokona intsony.”. Ny fomba fanao politika efa hita izay naharatsy azy hatramin’izay ihany no mbola tazana ataon’ny mpanao politika Malagasy ankehitriny. Ny nahagaga aza dia ny maheno sy nahita hoe loza ho antsika ny fomba politika nitranga tao anatin’ny tetezamita farany teo kanefa dia mbola voalaza indray omaly fa tafahoatra noho izay nitranga tamin’ny 9 taona lasa izany no hampiharin’izay eo amin’ny fitondrana ankehitriny. Ilay loza mihantona aterany eo ihany fa ny tena olana dia tsy ireo mpitondra nanao ny hadalany no hibaby azy mialoha fa ilay nofitahany hatrany. Iaraha-mahita io ankehitriny fa miha rendrika tsikelikely ny sambo ary mitsoaka voalohany, hono,  ireo … tsy te hiara-ko lavo. Raha ny zava-misy anefa dia mampametra-panontaniana ihany hoe fa mba nanao ahoana re raha bangoina ny fiarahamonina tao an-dapa tao tao anatin’izay 4 taona mahery izay e ? Mba nanao ahoana ny fifandraisana teo amin’ny samy mpanao politika no dia tonga amina sehatra mirefarefa toy izao ny tontolo politika Malagasy ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT