Edito

Loza manambana


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Manambana an’i Madagasikara hatrany ny loza ateraky ny savorovoro politika efa ho lava.


 Hiditra amin’ny fifidianana, hono, ny firenena ary efa tongotra mby an-dakana io, ka tsy hihemotra intsony. Ny samy kandida aza anefa dia efa mifanipaka toy ny valala an-karona, ka ao ny efa nikofokofoka hatry ny ela nanao propagandy mialoha ny fotoana fa mainka sy dodona ery handray fahefana hahafahana mampandroso ny firenena, hono, e ! Anisan’ireny iny olona fanta-daza tamin’ny fanonganam-panjakana iny, ka dia mikatsaka mafy ny mba hitondra ny anarana hoe: “Filoha voafidim-bahoaka” satria mafy ary henatra izany hibaby anarana hoe: “Putschiste” izany foana. Ao indray ireo mamondron-kery mitady hevitra hanemorana ny fifidianana, fa maro, hono, ny zavatra mbola mampiahiahy, ka ahiana tsy hadio io raharaha manga io. Mazava fa vao eo dia efa manambana sahady ny tsy fitovian-kevitra. Ny an’iza no hohenoina ary ny an’iza no hanaovana bemarenina ? Asa lahy na ho tonga amin’ilay hoe : ny hamisavisana ny ratsy no hiavian’ny soa, fa raha ny zavatra hita aloha, dia mamofompofona krizy sy savorovoro indray i Gasikara e ! Tsy misy fifampatokisana fa mifampiahiahy satria toa be loatra ny tandrametaka sy ny heverina ho hevi-petsy sy tetika maloto. Ny rafitra ara-panjakana natao hiantsoroka ny fampihavanam-pirenena moa, toa zary nisitri-belona na tsy mahavita ny asany, ka dia miandry izay higadonan’ny loza ho an’ity firenena ity angamba vao mody hikofokofoko sy hilaza fa miasa e ! Ny Raiamandreny amam-panahy kosa angamba mety kivy ka mbola mitolona am-bavaka mangina ny mba hiovan’ireto mpanao politika, izay maintimolalin’ny fitiavan-tena sy fitiavan-tseza ireto.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT