Edito

Loza ity


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Loza ity! Niseho indray iny ny rà mandrika sy ny korontana noho ny adilahy politika.

Nampiasaina ny herim-pamoretana mba handrangarangana fa mafy sy mahery ny fanjakana, kanefa dia tsy nahatohitra ny firoatry ny vahoaka ny basy aman-tafondro sy ny baomba mandatsa-drano. Tsy mahatonga saina ny mpitondra ve izany hoe tsy mahomby io fa dia mbola hiziriziry foana amin’izay saim-pantatra, ka sanatria mbola hitohy ny fandatsahan-drà? Tofoka sy leo ny vahoaka, ka zarany aza misy ny tahaka izao hanehoany ny hatezerany satria lavitra loatra ny elanelan’ny mahantra sy ny manan-karena, ny mpitondra sy ny entina,… Mahatsapa fa misy fitsinjaran-karena mitanila, ary tokony ho vita ihany ny mampifandanja an’ireo raha misy mpitondra tonga saina, misy fangaraharana ny fitantanana ny harem-pirenena, tsy misy ny kolikoly,… Ny Malagasy kosa vesaran’ny vidin-jiro midangana, vidin-tsolika misandratra lava,… Ny mpitondra fanjakana mbola migalabona amin’ny harem-be, malaza amin’ny kolikoly sy volabe miparitaka sy hifampizarana etsy sy eroa,… hany ka aleon’ny olona miantsampy amin’izay mpanao politika mihetsika sy heveriny fa afaka ny hanapitra ny ain’ity fitondrana ity. Mbola karazana fihantsiana ady, hoy ny fanehoan-kevitra maro, ny kabarin’ny filoha milaza fa mampitandrina sy handray fepetra hentitra, kanefa fiantsoana fitoniana sy fifanantonana ny andrasana aminy. Vonon-kiady hiaro seza ve ka hitombo ny isan’ny maty? Vahaolana ve izany ? Ho raikitra eto ny rombo sy ny krizy raha izao no mitohy, saingy hifanilika tsy ho tompon’antoka ny mpanao politika avy eo. Mety hahita loza ny mpitondra, saingy ny mpanao politika ho velona sy miaina eny foana, fa Ramalagasy kosa toa hihinan’ny tadin-kirarony lava eto! Ho aiza ihany isika ity e? Rahoviana ihany vao ho tonga saina? Mioty loza mandrakariva!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT