Rano ritra ao Andekaleka sy Ikopa ary Mantasoa sy izay rehetra tsy hita any ambadika any koa, orana tsy milatsaka, haitany sy tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, fitsaram-bahoaka miatomboka indray, horohoron-tany niha nahery vaika
, tsy fandriampahalemana mitoetra, fahatapahan-jiro lavareny sy miha mafy ary ireo tsy fahatomombanan’ny raharaham-pirenentsika hafa izay efa teo sy mbola mitohy hatramin’izao dia samy mandindona fidanganan’ny vidim-piainana sy fahasarotan’ny fiainana ho amin’ity taona vao miandoha ity avokoa. Ny tena mampahory ny saina aman’eritreritra dia ny mahita antsika rehetra na mpitondra io na izay mbola heverina fa valalabemandry hatramin’izao tsy mahita sy mahalala izay tokony ho atao manoloana izany tsy fihetezan-javatra rehetra izany. Asa ! iza indray moa izany no ho antenaintsika hamaha izany olana rehetra izany kanefa isika izay efa tandindomin-doza aza toa samy midororororo sy mitanandranandrana eto fotsiny ? Ny mpitondra izay efa sahy nanambara am-pahibemaso fa tsy tompon’andraikitra amin’ny zava-miseho ankehitriny no sady fatra-panilika izany amin’ireo nodimbiasiny ve ? Inona no azo antenaina amina vondron’olona tsy sahy mibaboka amin’ny lesoka hatramin’izay nitondrany fa dia mbola sahy tsy mitanisa afa-tsy izay heveriny ho fahombiazana hatrany kanefa ny mpitrongy vao homana mitombo andro aman’alina ? Ekena fa tsy an’ny mpitondra irery ny tsiny kanefa dia ilaina hatrany mamerina fa ny Raiamandreny aloha no tokony ho fitaratra voalohany amin’ny zavatra kanefa raha izy ireo aza no minia tsy mihaino sy tsy mijery hatramin’izao dia inona intsony … Loza ity marina mafy!
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.