Nafana tanteraka ny zava-nisy teto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro teo.
Raha ny ara-politika dia ho tsara ho an’ny filoha ankehitriny sy ny mpiara-dia aminy ilay fandresena tetsy amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny hanomezana fahefana tsy hita pesimpesenina azy amin’ny resaka lalàna tian-kapetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tranga iray hafa ihany koa ny nampidoboka am-ponja vonjimaika an’ilay olona akaikin’ny filoha teo aloha, izay mifamahofaho ny heloka tsotra sy ny mety ho fisian’ny ambadika politika satria tsapa ihany ny naha sakay sy maso ny fitondrana ankehitriny sy teo alohany, ka mety mifamaly faty e ! Ara-tsosialy kosa dia sesilany ny loza, izay nanamaloka tanteraka iny faran’ny herinandro iny, ka hitondrana ny teny fampiononana ho an’ireo namoy namana sy havan-tiana sy firariana fahasalamana feno ho an’ireo naratra. Olona iray voadonan’ny fiara ka maty tsy tra-drano tetsy Ankorondrano, olona maromaro maty nihotsahan’ny vatobe tetsy Ambanin’Ampamarinana, may kila forehitra ny biraon’ny “Domaine” tany Antsiranana, ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny,… Loza inona foana ity fa mijaly ny vahoaka e ? Araka ny efa nambara, dia naman’ny malalaka sy manana ny fahefana tsy refesi-mandidy amin’ny andraikiny ny fanjakana, ka tsy tokony hitaredretra eo am-pamahana ny olana samihafa sedrain’ny mpiray tanindrazana. Ny mpitondra dia mila mitsinjo lavitra, hoy ilay teny vahiny nohagasiana, ka ny tsinjolavitra ara-politika aloha izany izao no tena mipetrapetraka sy tena lasa lavitra be tato anatin’ny fotoana fohy, fa raha ny vahaolana maharitra ho an’ny vahoaka, dia tsikaritra aty am-piandohana fa lavitry ny kitay ny afo, ary tsy mbola mipetraka ny tena fototra. Ekena fa tsy ampy hitsarana ny fanjakana ny tapa-bolana, saingy misy zavatra hafahafa ihany eo amin’ny fomba fiasa sy ny laharampahamehana satria any amin’ny kajikajy politika sy ny kisehoseho ivelany no tena hita misongadina. Mba toy ny nanomezana fe-potoana amin’ny fanamboarana ny Rova ho amin’ny 2020 ve ny fanatanterahana ny velirano samihafa, toy ny famahana ny olan’ny delestazy, ny fidangan’ny vidim-piainana … ? Tsara ny fanehoana fa mitondra fanampiana, mizara zavatra, maneho fiaraha-miory fa manantena zavatra mafonja kokoa toy ny fomba fiady amin’ny politika ny vahoaka e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.