Edito

Loza amin’atambo


  • Alarobia 12 Mey 2010


Mifamahofaho be ihany ny fandehan’ny raharaham-pirenena arakaraka ny maha antomotra ny datin’ny 15 mey, tokony hisian’ny fihaonana faharoa hatao any Pretoria Afrika Atsimo eo amin’ireo ankolafy efatra miaraka amin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena omban-dry zareo Afrikanina Tatsimo, izay mpampiantrano rahateo. Raha nirava maina ny fihaonana ny 30 aprily 2010 dia nilaza i Andry Rajoelina ny ampitson’io, 01 mey, fa tsy hiverina any intsony dia mivoatra ny vaovao. Hatreto, raha ny vaovao re avy any Afrika Atsimo, dia mbola milaza ny ho avy any Pretoria ihany i Andry Rajoelina izay hitarika ny ankolafy tarihiny noho ny fanerena avy eto anatiny sy ny sehatra iraisam-pirenena, na tsy 15 andro katroka taorian’ny fihaonana voalohany aza. Etsy an-kilan’izany anefa dia resahina betsaka ny fananganan’i Andry Rajoelina miaraka amin’i Camille Vital governemanta. Anio no hampahafantarana izany, raha tsy hihemotra. Ny antony dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra dia ny didim-panjakana manaika ny mpifidy ho amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana raha hotazonina ihany ny datin’ny 12 aogositra naroson’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana na CENI, hanatontosana io fitsapan-kevi-bahoaka io, raha hanaja izay voalazan’ny andininy faha-35 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana milaza fa 90 andro ao aorian’ny fiantsoan’ny governemanta ny mpifidy izay vao azo atao ny fifidianana.

Nisy hatramin’ny herinandro iny ny fihaonana etsy sy eroa sy fihainoana ireo mpanao politika amin’ny fananganana io governemanta io, ary dia voatonontonona fa misy olona avy amin’ny ankolafy telo handray anjara amin’izany. Ny azo antoka, raha hisy ny avy amin’ny ankolafy telo hiditra anaty governemanta vaovao dia tsy hahazo tso-drano avy amin’ny filohan’ny ankolafy, fa handeha amin’ny anarany samirery (toy ny miaramila na zandary tsy afaka misolo tena ny foloalindahy) ary dia hailika tsy ho mpikambana amin’ny ankolafy intsony. Vokany, tsy governemanta iombonana toy ny efa nisy teto hatramin’ny 07 febroary 2009 no hitsangana eo satria tsy nisy ny tenierana teo amin’ny fananganana azy fa mbola fanapahan-kevitr’olon-tokana, ary dia tsy hahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa.

Fa ny loza mety hitranga (satria Lafrantsa tamin’ny alalan’ny RFI efa niteny fa te hiala i Andry Rajoelina) dia miala i Andry Rajoelina raha vao mitsangana ny governemanta ka hatolony an’i Camille Vital ny fitondrana tetezamita. Mety hanazava i Andry Rajoelina fa aleo izy misintaka mba hanomanany malalaka ny filatsahany hofidiana Filohan’ny Repoblika satria raha mijanona izy dia tsy ho «neutre» ny fitondrana. Raha izay no mitranga dia ireto no mety ho loza, ary ho loza amin’atambo hiseho : tsy ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena, hiha henjana ny fanenjehana ary hijaly mafimafy kokoa noho izao ny vahoaka. Hibosesika hanao izay danin’ny kibony ny vahiny, indrindra ny Frantsay. Mety hipoitra ny fitiavan-tanindrazana hentitra (nationalisme radical) miaraka amin’ny fankahalana Frantsay arahana fanenjehana sy herisetra amin’ireo izay monina eto Madagasikara. Raha miseho izany dia hahazo rariny, mba tsy hilazana fa hahita hirika, hidirana eto Madagasikara ny tafika frantsay ary hijanona maharitra eto. Ny dikan’izay dia miverina zanatany tsotra izao, ka ny loza haterak’izay dia mety hiseho sy hitatra ny tsy fifankahazoan-kevitry ny samy miaramila sy ny samy zandary.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT