Mitombo andro aman’alina ny tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra. Maro amin’izy ireo no very asa, tapaka fidiram-bola noho ny fikatonan’ny AGOA. Misy no niverina any an-tany fiaviany, fa maro koa no nisafidy ny hijanona satria mbola manantena ny sitrany ahay ka dia mitampify eny ambodirindrina eny amin’ny alina, ny sasany nanorina trano «cellophane» eny La Réunion Kely, ny hafa nanamorona ny Boulevard eto an-drenivohitra, ankoatra ny eny ambany tetezan’i Behoririka sy ambany Arcade. Mitombo izay tsy izy ny mpivarotra amoron-dalana, ary mitatra ny toerana ivarotana ankehitriny, tonga eny amin’ny tetezan’Ampasika. Saika fitaovana efa niasa ny ankamaroan’ny entana amidy eny. Midika fa mivaro-pananana ny Malagasy, noho ny tsy fisiam-bola sy ny fahaverezan’asa ihany io.
Koa aleo maty rahampitso toy izay maty androany, ka dia sitrany ahay vaza-mihetsika dia izay eo an-tanana no aripaka. Mandra-pahoviana anefa ? Fa ny loza dia potika ny fiainam-pianakaviana entin’ny fahantrana, sy ny disadisa politika misy eto. Betsaka ny mpihavana tsy mifamangy sy mifampiditra an-trano intsony. Zava-doza no miseho eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny. Fitsaram-bahoaka no mihatra amin’izay mandika lalan’ny fiarahamonina, na halatra io na herisetra. Nitrangan’izany tao Antsohihy vao ny talata teo. Midika io fa tsy matoky ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka. Ao anatin’izany rehetra izany anefa no mbola mikiribiby hanatontosa samirery ny dinika santatra ny FAT. Koa tsy vao mainka loza amin’atambo no ho tohin’ny tantara hiseho eto !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.