Edito

Loza !


  • Talata 13 Septambra 2016

Miezaka mafy manambatra hery ny mpanohitra eto Madagasikara ankehitriny.


Tsy mbola feno ny fepetra hahafahana mamaritra fa matanjaka ny mpanohitra eto ka mety  hanozongozona ny sezan’ny mpitondra. Noho izany angamba ny antony tsy mahataitra ny mpitondra HVM fa dia manao izay saim-pantany amin’ny fitantanana ny firenena. Efa tena maro ny hadalana sy fandikan-dalàna nataon’ny mpitondra saingy ny eo ihany no eo. Ireo manampahaizana sy avarapianarana, na mangina amin’ny fotoana tokony hitenenany na miteny kanefa tsy mahasarika ny olona intsony. Ny vahoaka kosa indray sahirana amin’ny fitadiavana izay harapaka anio ka sarotra resena lahatra hidina an-dalambe hanao grevy faobe izany, eny fa na dia momba ny fitakiana ny zo amin’ny maha olom-pirenena azy fotsiny aza fa tsy resaka fanonganam-panjakana. Ireo mpiara-miasa amintsika mitazantazana fotsiny, tsy hita hoe manampy ve sa ahoana, miasa be ilay fomba firesaka diplaomatika miendrika fihatsarambelatsihy ihany satria betsaka ny feo re fa tena tsy resy lahatra amin’ny filoha Rajaonarimampianina ary tsy hanampy mihitsy ity fitondrana ity fa mialokaloka ao ambadiky ny hoe mbola misy fepetra mila hajaina ka ny fanampiana maika aloha no alefa tsikelikely eo. Mbola mitohy ny krizy e ! Raha tsy mahira-tsaina tsara ny Malagasy dia mbola ho zava-doza kokoa no hitranga eto rehefa raikitra ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT